Mila mifampidinika. Mila mifanatona. Mila mikaon-doha. Na ireo mpiaradia amin’izao fitondrana izao aza ankehitriny dia hita ho miha mandrisika izany fa tsy ireo ivelan’ny fitondrana ihany. Tsy hisy fahagagana eo ka hoe ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana farany izay mitotaly 9 tapitrisa mahery no ho lasa 13,5 tapitrisa vetivety eo. Efa tsy tratra tao anatin’ny fe-potoana nifanomezana izany iny aloha, araka ny fampitam-baovao nomen’ny CENI ihany. Sarotra ny hino hoe 20%n’ny tetibola aloa hatreto no heno fa an-tanana dia ho feno 100% tampoka eo ao anaty manodidina ny 200 andro. Toa hita ho efa samy itoviana ny tiana ahatongavan’ny ankamaroan’ireo hery politika saingy tsy maintsy mandrirotra adihevitra hisarihana saim-bahoaka angamba aloha mba hanakonana ny sarimihetsika mahazatra!? Ny hoavy moa no hanoritra indray ny ho lalan’izao firenena izao satria dia raha ny tomba-maso aloha dia iaraha-mahita fa sarotra ny toe-draharaha, raha politika no resaka. Hisy fifanarahana na “accord politique” hipoitra amin’ny fotoana efa iandrasan’ny mpanara-baovao azy fotsiny indray ve atsy ho atsy sa hiaraka handamina ny tena tsara ho atao fitsipi-pifidianana sa hanery an-jambany fotsiny izao izay haha tontosa fifidianana izay mety hampanahy toy ny hatramin’izay ny ho tohiny ?
J. Mirija
Mitombo ny handalan’ny mpitondra, ka ny ratsy sy tsy nety nokianina mafy sy nentina
ny fisian’ny atao hoe mpanohitra sy mpanohana fitondràna. Isan’ny fanontaniana mipetraka ankehitriny