airtel

Edito

25-févr-2022

Edito

Tsy ho afa-bela

Sample post image

Loza izany nandalo teto amin’ny firenena tato anatin’ny 3 taona mahery izany ary isany heverina ireny rehetra ireny fa loharanon’ny tsy fahatomombanana rehetra misy eto amin’ity firenentsika ity hatramin’izao.

25-févr-2022

 Vato nianjera, rano niakatra, faty niampantrapatra sy traboina maro vokatr’ireo rivodoza nifanesy, ny valanaretina niteraka krizy iraisampirenena sy ny maro hafa rehetra. Samy namely teto daholo izany. Etsy ankilany anefa dia goavana ny tetikasa kasain’izao fitondrana izao atao saingy hatramin’izao aloha dia mbola tsy naharesy lahatra ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola. Vao tsy ela akory izay isika mianakavy no naheno fa izao aza kay vao tadiavina izany mpamatsy izany ary tsy izao fitondrana izao akory no nampaneno ny lakolosy momba azy io fa rafitra iraisam-pirenena. Neverina tao anatin’izay 3 taona latsaka kely izay koa anefa fa tena “be sanjila” araka ny fitenin’ny tanora na koa hoe “bonne chance” araka ny teny frantsay ity filoham-pirenentsika ity satria tonga tampoka tamin’ny ora tsy nampoizina ho an’ny fitondrany ny famatsiam-bola maha safononoka na dia vokatry ny firongatrana valanaretina aza. Neverina tamin’ireny fa raha mahay mitantam-bola tsara izao fitondrana izao dia ho vita ho azy ihany na, fara faha keliny amin’ny ampahany betsaka, ireo velirano, IEM, PEM, Plan Marshall, PGE sy izay heverin’izao fitondrana izao fa nofy tsara ho tanterahana hampamirapiratra an’ity Gasikara ity rehetra. Inona akory anefa no teo fa dia sady tsy voatsinjo ny sosialy fa midangana isan’andro ny vidim-piainana, mitotongana ny toekarena, tsy voavaha ny tsy fandriampahalemana, tapaka sy rota ny lalan-kely sy lala-migodana ary lalam-pirenena. Tsy misy afa-tsy olana no tena mibahana ny raharaham-pirenena ary mbola voasokajy ho isan’ny firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ilay firenena nandrevirevy ho lasa mpamatsy vola ny kaomorianina. Na dia mbola azo lazaina ho ivona adihevitra eto amin’izao tontolo izao fotsiny koa indray aza izao io ny ady misy eo amin’ny firenena Okrainianina sy Rosianina dia efa naman’ny mivonona tsy ho afa-bela ny amin’ny mety ho voka-dratsin’izany indray izany ilay Gasikara kely tsy mety tafarina ity raha izao no mitohy satria dia efa nisondrotra sahady, ohatra, omaly ny vidin’ny solitany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap