airtel

Edito

25-août-2026

Tsy maintsy misedra!

Tsy zava-baovao teto

Sample post image

amin'ny firenena ny fitobakana

25-août-2026

tranga mampihorohoro vahoaka toy izay miseho ankehitriny rehefa misy fikasàna hanova izay nahazatra teto. Hita ho tena nahagaga hatramin'izay izany. Efa noresahina teto ihany koa io ary nampahatsiahy ireo antoko politika nanamarika ny repoblika nifandimby. Voalaza ho nisy fotoana nirongatra, ohatra, ny doro tanety tamin'ny repoblika voalohany. Sesilany toy izao koa ny resaka tsy fahitàna olona tamin'ny repoblika faharoa. Niitatra sy nifamahofaho tao ny tena filazàm-baovao sy ny tsaho toy ny resaka mpaka rà sy ny tarehimarika 666. Samy nahatsiaro ny tsy fandriampahalemana nirongatra tao anatin'izany tetezamita 2009-2013 izany ny mpanara-baovao maro. Oviana tao anatin'ny tantaran'ity firenena ity tokoa moa no tena nampalaza sy nampirongatra izany atao hoe kolontsainan'ny fandrobàna izany raha tsy tamin'ireny fotoana ireny? Novolavolaina fatratra tamin'izany fotoana izany ny fifanarahana politika tamin'ny alalan'ny antsoina hoe tondrozotra na "feuille de route". Isaky ny akaiky fifidianana dia nahagaga hatrany koa ny fitrangàna tsy fandriampahalemana mampivarahontsana toy ny hita amin'izao fotoana izao. Io indray izany isika hiroso lalindalina kokoa manomboka anio amin'ity hoe fikaonandoham-pirenena ity dia ireny iaraha-mahita ireny no mitranga. Fanontaniana maro hatrany no manitikitika ny saina. Iza foana no ao ambadika? Inona no tena tiana ahatongavana? Tsy maintsy manao sorona ny mpiray tanindrazana ve? Fa naninona no nisy toy izao hatrany tao anatin'ireo repoblika miisa 4 nifandimby? Tsy mety lany ve izany ireo saribakolin'ny fahavalom-pirenena nirahan'izy ireo hamotika ity firenena ity toy tamin'ny andron'ny fanandevozan'ny frantsay? Aiza ny fijoroan'ireo tena tia tanindrazana sa efa tsy misy izany intsony eto? Na inona anefa aloha ho tohiny dia tsy maintsy misedra izany hatrany ny vahoaka izay mitoetra eto amin'ity firenena ity! Enga anie mba ahitàna ny vahaolana handresena tanteraka izany tsy fanjariana rehetra izany amin'izay ilay fikaonandoha hoe iombonan'ny rehetra manomboka eto.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-août-2026

Anisan’ny soatoavina ara-pinoana

Card image cap