tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Edito

Tsy mihitsoka, tsy mandeha

Izay tsy mihetsika mihitsoka, izay tsy mahandry mandeha!”, hoy ny fehezanteny tena namantarana izany ngezalahin’ny literatiora malagasy antsoina hoe Elie Rajaonarison izany,

16-nov-2022

Sample post image

izay notsarovana omaly moa ny tsingerintaona naterahany na dia efa nodimandry aza ity olomangan’ny firenena ity. Mijery ny raharaham-pirenena ankehitriny anefa isika dia tena lasa ny saina satria hita ho sady tsy mihitsoka izany nefa koa toa tsy mandeha? Tsy ambony tsy ambany ohatry ny lohalik’alika, hoy ny fitenin’ireo razambe izay. Raha ny mpitondra sy ireo mpiaradia aminy aloha no hametrahana ny fanontaniana dia inoana fa efa mahazatra ny valinteny ho heno. “Mandeha ny fampandrosoana ny firenena” na koa hoe “mandeha ny fampandrosoana miaraka amin’I prezida Andry Rajoelina” dia rehefa hanontaniana hoe inona no manaporofo izany dia efa hay tsianjery koa ny valiny fa kianja manara-penitra, EPP manara-penitra, hopitaly manara-penitra sy izay heverin’izy ireo fa manara-penitra rehetra. Ireo tarehimarika nilaza sy milaza ny fihemoran’ny firenena amin’ny sehatra maro dia sahin’ireo tomponandraikitra sy mpitondra mihitsy ny mandiso na mitsipaka izany. Isan’izany, ohatra, ny tarehimariky ny “reporter sans frontière” izay naneho fa very toerana 41 isa be izao ny fahalalahana manao gazety eto Madagasikara saingy dia vitan’ny minisitry ny serasera ankehitriny moa no nilaza fa tsy mitombona izany. Io koa izao farany teo ny olana eo amin’ny orinasa Pharmalagasy izay efa hatramin’ny volana jolay no nisian’ny resaka olam-pitantanana sy tsy fahefana ny karaman’ireo mpiasa kanefa dia tamin’ity herinandro ity, 5 volana aty aoriana vao hoe hitory ny gazety frantsay iray dia iny koa fa nipoitra ny hoe olana eo amin’ireo mpandraharaha litchis sy ny RFI ary ny Transparency international. Rehefa sady tsy mihitsoka no sady tsy mandeha ve moa izany dia inona no ankoatran’ireo? Efa fantatry ny rehetra angamba ny valiny!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Hiandry rombo vao ho taitra a !
02-juin-2023

Mihazakazaka ny fotoana, miha hatomotra ny fotoana hanaovana fifidianana raha ho voatazona amin’ilay vinana tetiandro natolotry ny vaomieram-pifidianana,…

Card image cap
Tena mahantra
01-juin-2023

Mamono miadana toy ny homamiadana ankehitriny ity fahantran-dRamalagasy ity. Tena mahantra isika ary maro no heverina fa fomba azo hanazavana azy saingy toy ny tongom-bakivaky moa izy ity,

Voir plus