izay manan-kery amin’ny lafin-javatra maro ny hoe : « tsy misy haizina handresy ny mazava », ary mety mifameno sy mifanohy aminy ny hoe : « ny hery tsy mahaleo ny fanahy ». Manan-kery amin’ny fiainam-pirenena, ny politika, ny fiainam-piarahamonina io,… ka na inona na inona mety setrasetra sy fanjakazakana tsy ara-drariny dia misy farany foana ny zava-drehetra. Inona moa ny fanjakazakana tsy natao teto, inona ny famoretana vahoaka tsy nampiharina teto, inona ny famadihan-tanindrazana tsy nitranga teto,… Ny fanjakazakana noho ny fianteherana tamin’ny basy sy ny vola moa dia tahaka ny nofy ratsy ny hoe : tao anatin’ny tapa-bolana dia rava ny tsena, raha ny toe-draharaha politika teto herintaona latsaka no tsiahivina. Asa mbola ambadiky ny heverin’ny sasany fa mbola valin’ady taorian’ireny ve ny zava-doza iniana volena eto amin’ny Firenena toy ny vono olona mahatsiravina mitranga ? Raha efa somary nangingina sy voafehy dia ezahana amin’ny fomba rehetra indray sanatrian’ny vava ny hanakorontanana Firenena mba hiteraka savorovoro sy tsy fifampatokisana eo amin’ny entina sy ny mpitondra ? Iza tokoa moa no manana tombotsoa amin’ny fisian’ny zava-doza eto ? Na inona na inona ao ambadika dia zava-dehibe ny firaisankinan’ny Malagasy handresy ny haizina. Tsy amin’ny zava-doza ihany fa tena amin’ny zava-drehetra : ny fahatsapana fa manana adidy amin’ny Firenena, ny fiaraha-mientana ho an’ny soa iombonana, ny fifankatiavana eo amin’ny mpiara-belona,… Fihetsika sy fiaraha-mientana heverina fa mety bitika, tsy mitaky fandaniam-bola akory dia mety hanova ny Firenena izay tena miankina amin’ny isam-batan’olona. Ny zava-dehibe dia ny fahatsapana sy ny finoana fa tsy maharesy ny mazava ny haizina, tsy ho resin’ny hakiviana ny fanantenana, fa mbola afaka ny hiova sy handroso isika,…
Toky R