airtel

Edito

18-mai-2026

Tsy misy kisendrasendra

amin’ny politika…

Sample post image

Tsy misy ny zavatra kisendrasendra

18-mai-2026

izany amin’ny politika fa misy dikany sy antony ny zavatra miseho rehetra. Manamarika amin’ny fidirana amin’ny politika na « rentrée politique » matetika ny fisokafan’ny taom-pivoriana eny amin’ny antenimierampirenena maharitra 60 andro. Fotoana handinihana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, hanadinana ny governemanta,… fa matetika ao anatin’izay vanim-potoana izay ihany koa no hisiana toe-javatra mafampana samihafa. Maromaro ny zavatra nanamarika ny herinandro lasa teo : fisamborana mpanao politika izay nosokajiana ho mikotrika zavatra entina hanakorontanana, ka dia minisitra iray teo aloha dia Atoa Paul Rabary sy ny Sekretera jeneraly iray tamin’ny minisitera tamin’ny fitondrana teo aloha dia Atoa Yves Maurice no nalefa any am-ponja nanara-dia an-dry Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard, ny Minisitra teo aloha Sahondrarimalala Marie Michelle, ny loholona teo aloha Sylvain Rabetsaroana,… Tsy an-kitsitsy aloha izany fa izay hahatrarana zavatra mampiahiahy dia any ambany atsinanana. Sary politika iray mitranga ny fitoriana nataon’ny depioten’Arivonimamo teny amin’ny HCC satria ambarany fa maro ny fandikan-dalàna amin’izao fitondrana izao. Efa nandeha moa ny fanehoan-kevitra samihafa hoe : ampitahao ny teo aloha 5 taona niampy 2 taona sy ny zava-bita sy fanavaozana vitan’ny amin’izao tao anatin’ny 7 volana. Samy manana ny heveriny fa rariny, fa ady fiady ihany koa io amin’ny politika. Iza tokoa moa izany no antoko mpanohitra eto amin’izao ? Iza no afaka mametraka fifandanjan-kery amin’ny fitondrana ? Raha hiteny TGV-MAPAR dia ekena mety mbola manana ny volany sy ny olona ampiasaina, saingy sarotra raha tsy hoe fahagagana izany Andry Rajoelina sy ny antokony hahavita fiverenanana ao anatin’ny heriny na « retour en force » izany raha mbola anatin’ny 2 taona na 5 taona aza. Lojika raha misy ny mipoitra satria mety mietritreritra ny ho hery faharoa. Mbola betsaka anefa ny sary mety hitranga sy hiova arakaraka ny fandroson’ny fotoana ka dia ny ampitso no tena hamaritra azy…
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-mai-2026

na koa hoe voady ao, raha ny marimarina

Card image cap
20-mai-2026

anatin’ny 7 volana

Card image cap