airtel

Edito

03-nov-2022

Edito

Tsy misy mihetsika

Sample post image

Tsy misy mihetsika, mba tsy hilazana hoe tsy miroso, eny, tsy misy mandroso mihitsy ny fianan’ilay fiarahamonina eto Madagasikara na koa hoe ny fiainam-pirenentsika tao anatin’izay 4 taona izay.

03-nov-2022

Mety mahita sy mandre izany indray izao ireo mpitondra sy mpiaradia aminy dia ho raikitra ny fitanisana ny hoe ny hopitaly manara-penitra tary, izao no efa tafatsangana. Ny EPP, CEG, lisea manara-penitra. Vita ny lalana tatsy. Vita ny kianja taroa. Hatramin’ny taona 2010 angamba, ho an’izay nahatadidy, no efa nisy fitanisana toy izany. Tetsy ankilany kosa anefa ireo nampanantenaina, toy ny kapoakam-bary 500 Ariary, ny menaka 2500 Ariary ny litatra, ny tramway sy ny tariny rehetra, nanao ahoana no niafarany? Tato anatin’izao 4 taona mahery kely izao indray dia samy miara-mahita sy maheno koa izao ny rehetra fa fampanantenana foana no mbola iainana mandava-taona ary toy ny filoha vao ho laniana hatrany ilay filoham-pirenena am-perinasa. Ny tetikasa Tanamasoandro io tsy mety vanona fa dia mampitokona ireo mahatsiaro ny tenany ho tena tompon-tanindrazana hatramin’izao. Ilay hoe Miami izay efa niaraha-nahita tamin’ny 4 taona lasa moa ny makety dia io izao vao fantatra io ny tena dikany, raha ny nambaran’ny filoham-pirenena. Baraingo hatreto ny flyover, ny teleferika, ireo tanana vaovao samihafa kanefa dia efa vao nampahafantarina tsy ela indray koa ny Miami hafa ankoatran’ny ao Toamasina izay hoe ho atao ao Toliara. Ny biby anaty valanjavaboary eto ratsy karakara kanefa dia ny any an-kafa indray ity no nofinofisina ho velomina eto. Hanafatra an’ity rehetra ity, izay hita ho efa zava-misy eto ihany, no hirahiraina hatrany. Isany ny vary, ny filana an-davanandro, eny, hatramina mpampianatra mpikaroka dia hoe ho afarana. Fa iza loatra aza no miezaka maneho na manao “démonstration” amin’ny filoham-pirenena ao an-dapa fa dia tsy misy azo velomina intsony ny lafiny rehetra eto na inona na inona sehatra? Ny filoham-pirenena mihitsy koa ve no tsy mino intsony fa mbola azo atao ny manorina ifotony ity firenena ity? Indrisy ry tapa-tsaosisy, hoy ilay vazivazy izay !
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap