manokana ny fiainam-pirenena Malagasy. Eo ny fanantenana hisian’ny fanavaozana sy fanovana tena mila hita taratra amin’ny fiainam-bahoaka fa eo ihany koa ny ambana ara-politika samihafa. Tsy manan-jo hanao hadisoana politika, toekarena, na sosialy intsony isika satria sady mamafa ny dingana vita no fihemorana makany amin’ny kizo. Ny tantara sy ny zava-nitranga teo aloha dia efa nampiseho fa ny tsy fahampian’ny fihainoana sy fijerena ny tena marary ny vahoaka, ny fitantanana tsy mangarahara, ny fambaboana Fanjakana hahafahana mampanjaka afera maizina,… no nitarika ny fahatezeram-bahoaka. Amin’izao fotoana izao, ny fanamby lehibe dia ny fananganana lamina vaovao izay miorina amin’ny fahamarinana, famahana ny olan’ny vahoaka, ary ny fahaiza-mitantana. Mitaky fanavaozana lalina ny fiainam-pirenena : fanavaozana ara-politika izay manamafy ny demokrasia sy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena; fanavaozana ara-toekarena toy ny fanomezana lanja ny harena voajanahary tsara tantana sy ny asa famokarana, ary manome tombontsoa mivantana ho an’ny vahoaka; fanavaozana ara-tsosialy izay manamafy ny firaisankina, ny fahafahana mitovy ary ny fiahiana ny fiainam-bahoaka toy ny asa fivelomana, fihariana,... Tsy azo ekena intsony ny rafitra manome tombontsoa ho an’ny vitsy an’isa, fa mila rafitra manome lanja ny mba hananan’ny Malagasy isan-tokony ny tena anjara masoandrony. Tsy tokony ho teny fotsiny, fa tokony ho hita amin’ny asa sy ny vokatra ny « fanavaozana ». Samy manana andraikitra amin’ny fanatanterahana izany ny Mpitondra sy ny entina. Ny Fanjakana amin’ny alalan’ny politika mazava sy ny fitantanana mangarahara, ary ny olom-pirenena amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra sy ny fanaraha-maso akaiky. Ny fiainam-pirenena Malagasy dia tokony haseho amin’ny endrika vaovao: firenena madio amin’ny kolikoly, mandroso amin’ny toekarena, ary miray hina amin’ny sosialy. Noho izany, tsy misy toerana intsony ho an’ny hadisoana. Ny fanavaozana dia tsy safidy fa adidy !
Toky R