airtel

Edito

13-févr-2025

Tsy vitan-kabary sy serasera ny fitantanana!

Tsy vitan’ny serasera sy fitanisana vina ny fitantanana Firenena.

Sample post image

Anio mety mahomby ny fandraviravizana vina mipoapoaka, fampanantenana famirapiratana,…

13-févr-2025

fa tsarain’ny karatra eny ihany rehefa mandeha ny fotoana fa hay paikady nentina nahazoana fahafena fotsiny ireo zavatra nipoapoaka nanjonoana vahoaka. Mandrak’ity ny androany mbola fandrendrehana saim-bahoaka no mandeha raha tarafina amin’ireo serasera samihafa any ivelany. Tahaka ny potserina ny pokotra dia mivoaka ny famatsiam-bolan’ireo lazaina fa mpiara-miombon’antoka mahatoky. Dia tena azo inoana ve ny hoe : ny « autoroute » mbola tsy mazava akory ny làlan-kizorany dia hipotsaka ny vola ? Dia mieritreritra ve ny Fitondrana fa anio no manasonia dia milamina ny zavatra rehetra afaka herinandro na tapa-bolana eny fa na herintaona aza ? Ny politika mivoaka miditra moa dia ireny niaraha-naheno ireny toy ny filazana fa antenimierandoholona mandany vola, ny kabary politika hoe : hazavana sa sénat,… Nahena ny isany fa nanao ahoana ny hazavana ? Moa tsy ireo indray aza no mangataka tetibola manokana ? Asa na minia mikipy fa na ireo zavatra goavana natao fototra niorenan’ny propagandy sy ireo zavatra goavana niainga tamin’ny aingam-panahy manidintsidina aza mbola betsaka ireo nitsefotra 6 taona aty aoriana. Mby aiza izao ny orinasa fanamboarana Ethanol, Tanamasoandro, statut goavana eny amin’ny Tanamasoandro, Autoroute makany Imeritsiatosika, Fly Over, orinasa Gascar, Pharmalagasy, bus 1000, Gymnase mahazaka olona 8000, angovo 400MW, ny éolienne efa hatramin’ny tetezamita,… Ny resaka teleferika moa tsotsofina ary mampanahy ny tsy hiodinany maharitra, ny train urbain efa nanaovana andrana maromaro fa hatreto tsy tena nandeha,… Endrika maneho ireny fa tsy vitan-tserasera ny fitantanana Firenena ka tanisaina daholo izao sy izao fa tsy hita izay vokatra. Ny resaka fiainam-bahoaka, ny fampivoarana ara-toekerana, ny haitarika makany amin’ny fivoaran’ny daholobe,… moa toa mbola mahakely finoana. Tsy tena misy ny fankasitrahana sy fanehoan’ny vahoaka ny fanohanana na « adhésion populaire » fa dia mitomany ho mamim-bahoaka sy manandran-tena eny ny mpitondra ambony, ary indraindray aza ataon’ny olona fihomehezana. Asa mba mandinin-tena amin’ireny ve sa dia mitoetra hatrany ilay hoe : ny mpanenjika tozoro afara ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-mars-2025

andron’ny 17 martsa ! Kihon-dàlana iray nahatanterahan’ny fanonganam-panjakana tamin’izany.

Card image cap
14-mars-2025

sinoa antsoina hoe : Sun Tzu tany amin’ny taon-jato faha-6 talohan’i Jesoa kristy

Card image cap