airtel

Edito

02-mars-2026

Velaro ny kajy!

Taorian'ny raharahan'i Rosia sy Okrainianina,

Sample post image

izay mbola mitohy izany izao,

02-mars-2026

5 taona aty aoriana, dia nipoaka ihany io ny niafaran'ny adin'ny iranianina amin'ny amerikanina sy israelianina. Nialohan'izao no efa nitaintaina izao tontolo izao ny amin'ny hoe ho akaton'ny iranianina ny "Détroit d'Ormuz", izay zotram-pandraharahana solika ho an'ny 20%n'izay tsenana solika izay eto amin'izao tontolo izao. Hisy firenena maromaro ho sahirana amin'izay fahazoana solika izay izany ato ho ato. Ny minisitry ny angovo sy akoran'afo teo aloha, Olivier Jean Baptiste, moa nanazava tamin'ny fotoan'andro fa tsy mahakasika ny fanjifana solika eto Madagasikara ny fikatonan'izany Ormuz izany. "Tant mieux", hoy ny vazaha! Afa-doza izany isika, raha mitombina tokoa iny fandinika iray iny. Na izany na tsy izany dia fotoana hatrany izao hampirisihina ny mpitondra izany hoe velaro ny kajy! Mbola adin'ny tantsinanana sy tandrefana hatrany ity. Raha toekarena, na anatiny io na iraisampirenena, no resahana ankapobeny dia miha mivelatra ankehitriny ny tsena. Ny teoria miainga rehetra maneho fa miha sahirana ny tandrefana. Isika izany ity, raha ny hitan'ny maso aloha, dia miha mahazo avara-patana amin'ny tantsinanana toy ny rosianina sy ny arabo. Hivelatra amin'ny tontolon'ny solika na harena an-kibon'ny tany hafa amin'ireo ve, ohatra? Eo ihany koa ny sinoa. Ny ankamaroan'ireo mpikamban'ny BRICS na ireo firenena tarihin'i Brezil, Rosia, Inde, Sina, Afrika atsimo hatramin'izay mihitsy aza moa no efa nanana fifandraisana ela tamin'ity firenena ity saingy ny tokony kajiana izany izao dia ny hoe tsara hamafisina kokoa ve izay fifandraisana izay sa ho tazonina amin'ny atonony ihany aloha? Ny fiarahana amin'ny tandrefana, iny efa eo, saingy izay aloha izany no tsy maintsy jerena akaiky izao. Velaro ny kajy!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Nahazatra sy nahaliana izany

Card image cap
05-mars-2026

Hatrany am-piandohan’ny

Card image cap