Ny tafika mihitsy izao ny faran’ny herinandro teo no milaza fa fifidianana no ilain’ny vahoaka malagasy ary saika isaky ny 5 taona dia misy fanambarana mitovitovy amin’izany foana. Raha tena nilain’ilay malagasy na vahoaka malagasy tokoa ary ilay fifidianana, maninona no tsy mety mahatratra antsasa-manila na 50% foana ny taha-pahavitrihana handray anjara amin’izany na mahatratra ihany fa savolaina vao mahatratra? Dia manao fanambarana koa ireo mpanaradia ny fitondrana ary mampiasa ilay hoe ilain’ny malagasy na vahoaka malagasy. Ankilany, ny hery politika samihafa, na tao anaty fitondrana io na efa ela no ivelan’ny fitondrana, misy milaza hoe asio fifampidinihana aloha. Misy miteny koa hoe asio tetezamita. Toy ny efa voalaza teo moa izany dia saika miampy foana ilay izy hoe izany izao no ilain’ny vahoaka malagasy na ilain’ny malagasy. Dia gaga sy lasa saina ianao ilay antsoin-drizareo hoe valalabemandry mandinika izany rehetra izany hoe fa mihevitra azy ho inona daholo moa izany ireto manao fanambarana etsy sy eroa miseho azy ho mahasolotena ny tena ao an-tsaina sy ao am-pon’ny malagasy na vahoaka malagasy maro an’isa ireto? Hatraiza ny tahan’ny fakan-kevitra nahafahany namaritra fa tena ireny nanaovan’izy rehetra ireo fanambarana itonontononany ny malagasy sy vahoaka malagasy isak’izay mihetsika ireny no tena tadiavin’io malagasy io? Ny hita ho mampalahelo ao anatin’ilay toe-draharaha izay tsy vao androany fa efa tranga sy sary nananontanina sy niverimberina nanomboka ny taona 1972 no ho mankaty dia ilay malagasy na vahoaka malagasy atao fitaovana hanaovana fanambarana ihany no voatorotoro hatrany isak’izay misy adilahy politika mananontanona ny hipoaka toy izay hita amin’izao fotoana izao indray. Dia tsy hahay haka lesona sy hifandamina araka ny fahendrena tena maha isika antsika mihitsy ve isika malagasy ity fa dia izao mitandroka hamerina tantara efa nampivarina ity firenena ity izao foana. Izy mivady no miady dia ny zanany no voatorotoro ny taona 1972, 1991, 2002, 2009. Zanaka efa nitondra takaitra hatramin’izany fotoana izany no mbola hampitondrain’ireo heverina ho raiamandreny takaitra hatramin’izao. Raiamandreny tsy misaina ve sa tena sanatria adala?
J. Mirija
kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo