airtel

Edito

05-juin-2023

Edito

Vokisana fahoriana

Sample post image

Mampieritreritra ny kabarin’ny Filoham-pirenena nandritra ny fitsidiham-paritra nataony faran’ny herinandro teo hoe : amin’ny maha Filoha am-perin’asa azy sa kabary amin’ny mety mbola haha kandida azy indray?

05-juin-2023

Nilaza mantsy ny tenany fa izy dia ho Filoham-pirenena mahavita ary indrindra ho maodely amin’ny hamelomana sy hahavonjy ny vahoaka Malagasy ka nitenenana indray fa anatin’ny fanamby napetraka ny hahazoana ny fahaleovantena ara-tsakafo. Tena nifanaraka tamin’izany ve ny politikam-pitantanana ny firenena tao anatin’ny 5 taona sa izay no ahafahana maka indray ny fon’ny tantsaha? Satria any no mety mandeha amin’ny fanaovana doka ara-politika na “marketing politique” dia jonoina amin’izany indray ny vahoaka!? Raha tarafina amin’ny zava-nisy sy ny fomba fiasa hatramin’izay mantsy, miharihary fa natao ambanin-javatra sy anjorom-bala ny famokarana. Ny fanafarana vary sy PPN no nireharehana ho fampandrosoana. Misy mihitsy aza ny mpanao politika niapamga izao fitondrana izao fa nahatratra 1 tapitrisa taonina ny fanafarana vary herintaona ! Nanao ahoana ny vola nolaniana tamin’ny fambolena sy fiompiana noho ny kirendrarendra raha tsy hilaza afatsy kianja manara-penitra eraky ny tanàna? Asa firy isan-jaton’ny tanora any amin’ny faritra Alaotra nampanantenaina tany 1ha tsirairay no efa misitraka izany? Nambarany fa raim-pianankaviana mahavita azy, dia afaka mamelona ny vady aman-janany; ny Filoham-pirenena mahavita azy dia filoha mahavita mamoky sy mamelona ny vahoaka ao aminy. Rehefa zohiana, toa miampanga tena ihany ny Filoha sy Fanjakana tarihiny, raha tarafina amin’ny fiainan’ny Malagasy izay izy ireo no mpiahy azy satria tena ara-bakiteny ankehitriny ilay hoe : ny hoanina anio tadiavina rahampitso ! Politika amin’ny fanafarana vary hamelona ny tantsaha Pakistanais sy Indianina na koa ny fizarana vary iray lovia ve? Ny resaka famokarana ara-bakiteny izany fa na ireo seha-pamokarana ara-indostrialy sy fandraharahana izay avokavoky ny toekarena anie, ka vizana tao anatin’ny krizin’ny valaretina fa moa mba nojerena? Ilay nolazaina fa mba anjara birikin’ny Fanjakana momba ny fampiakarana ny karaman’ny tsy miankina mba hanampiana ny fiantraikan’ny fidangan’ny vidim-piainana aza nadaboka. Midika fa mihena ny vola miditra, mihena ny ao anaty vilany ka mamoky vahoaka ahoana moa? Ny asa fihariana potiky delestazy, mihena ny famokarana, asa maro no potika sy very ka sao famokisana fahoriana no tena misy?
Toky R 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap