airtel

Edito

03-mai-2023

Edito

Vokisana serasera

Sample post image

Miroso mankaiza marina ity raharaham-pirenena eto amintsika ity? Inona no hitranga atsy ho atsy? Irariana mba ny hamisavisana ny ratsy no hiavian’ny soa,

03-mai-2023

fa raha izao zava-mitranga ara-politika izao anie, ka toa miroso makany amin’ny hotakotaka e! Mbola miharihary ny fitiavan-tena tafahoatra, ny tsy fanekena ny fahadisoana, ny fizahozahoana ao anatin’ny efa tsy fahaiza-mitantana miharihary, ny fambolena serasera milaza sarintsarim-pahombiazana,… Iraha-mahalala, tsy takona hafenina intsony, efa miantraika any anaty vilanin’ny isam-batan’olona ny tsy fahantrana vokatry ny tsy fahaiza-mitantana, kanefa dia ezahina lalaovina indray fa hatramin’ny any ivelany no miaiky fa tena tompondaka amin’ny fampandrosoana hono ny mpitondra antsika. Dia tena sahiny mihitsy no milaza fa rehefa tsy handroso miaraka aminy I Madagasikara tsy handroso intsony. Raha firenena hita taratra sy fanta-daza amin’ny fandrosoany raha aty Afrika ve hihoatra an-dry Rwanda, Maorisy,… saingy ny mahagaga toa tsy mba mahazo anaram-boninahitra tompondaka mihitsy izy ireny. Ny antsika anefa toa tompondaka lava, ary vokisana serasera ny vahoaka, saingy fihemorana no tena iainany. Tena azo tarafina amin’ny fandrosoan’ny firenena sy ny vahoaka ao anatiny ve ireny amboara sy anaram-boninahitra zarazaraina aminy ireny sa sanatria fanesoana manara-penitra mba hampiezaka fa isika no tsy tonga saina? Ny serasera ezahina voizina mafy aloha izao dia ny hoe: tena niasa, tena nanao, tena nampandroso,… ka tokony hotohizana ny ezaka vita sy ny efa natomboka. Ezahina mafy ny hitazona an’io seza io, sanatria toa efa mizotra makany amin’ny fanaovana ny tsy fanao. Indray toa mahatonga ny saina aman’eritreritra hamoaka hoe: sao heverin’ireto andian’olona na vondron’olona ireto fa azy samirery aza I Madagasikara ka hanaovany izay danin’ny kibony? Hanjakazakany araka izay saim-patany? Tereny hanaiky ny rehetra fa izao no mety sy mila ekena? Tsy vitan’ny bontolo sy tery vay manta ny fitantanana firenena, ka aleo haverina foana ilay oha-pitenenan’ny Ntaolo fahiny hoe: raha mitohy anie ny hazo ka lanin’ny voalavo ny lanitra e!
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap