airtel

Edito

08-févr-2022

Edito

Vonjimaika hatrany

Sample post image

4.311.800.000 ariary mahery no totalin’ny vola mikasika fanodikodinana fiaram-panjakana tao amin’ny CNLS izay sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny aretina SIDA eto amintsika, rah any vokatry ny fanadihadian’ny

08-févr-2022

 sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC, raha ny fantatra omaly. Tsy sambany amin’ny resaka fanodikodinam-bola mahoraka teto amin’ny firenena tao anatin’izao fitondrana izao io. Efa hain’ny mpanara-baovao tsianjery ny resaka “bonbon sucette” sy ny “écran plat” na koa “panier garnie”. Io miara-manao tantara mitohy amin’ity resaka SIDA ity koa izao ny raharaha mikasika ny minisitry ny fitsarana izay efa misy manome anarana mihitsy moa hoe “Imbikygate” ao amin’ny tambazotran-tserasera ao ary dia resaka volabe hatrany no mankadilo sofina heno ao anatin’izany rehetra izany. Tsy any amin’ny resaka hoe nataony sa tsy nataon’ireny olona voatonotonona anatin’izy ireny loatra angamba no tena maha menatra sy maha sorena amin’ny maha olompirenena maheno ireny rehetra ireny fa ilay izy miharihary mihitsy sy maneno ao an-tsofina hoe izany lalaovin-drizareo izany ny volam-bahoaka! Hetra terena alohako sy alohanao ary mba iandrasanao fatratra izay mba tamberin’andraikitra avy amin’ireo mpitondra. Toa tsy mahagaga intsony ankehitriny, ary azo lazaina mihitsy aza hoe tao anatin’ny 13 taona izay, ny mahita arabe feno tara “bonbon voanjo” eran’ny tanana. Toy izany koa ny mahita tafona fotodrafitram-panjakana zakan’ny rivodoza na kianja lazaina fa manara-penitra nefa dibo-drano rehefa misimisy kely fotsiny ny orana. Hita mazava ho vonjimaika hatrany ny asa rehetra misy sy mipetraka tao anatin’izay fotoana izay ary ny fiainam-bahoaka no mampibaribary ny fahamarinan’izany. Marary ny maheno an-drizareo vahiny miteny ny firenenao hoe “firenena farany mahantra eto ambonin’ny tany” kanefa atao ahoana moa ny handiso izany raha toa ka aty amin’ny taonjato faha 21 ny firenenao no mbola misy fotoana miaina ny zava-nisy tamin’ny faraparan’ny taonjato faha 20 araka ilay tononkira tamin’izany hoe “ny jiro tsy mandeha, telefaonina tapaka”? Ny 90%n’ny olompirenenao miha miditra hatrany anaty fahantrana lalina kanefa dia mbola hikirizana hatramin’izao ny vahaolana vonjimaika hatrany mba tsy hilazana hoe vonjy tavanandro araka ny fahitan’ny mpamakafaka hafa azy ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny fehezan-teny matetika fambaran’ny filoham-pirenena

Card image cap