airtel

Edito

20-janv-2023

Edito

Zatra ampanantenaina

Sample post image

Efa zatra ampanantenaina eto amin’ity firenena ity moa ankehitriny ny malagasy. Tena nahay izao fitondrana izao nitaiza antsika tao anatin’ny fampanantenana.

20-janv-2023

Efa ho 14 taona be izao kosa ve moa, taona 2009 no ho nankaty, no namolavolan’izy ireo antsika tao anatin’izany ka ahoana no mbola tsy hahaizantsika hizatra ny fampanantenany hatrany? Asa indray moa izao izay handraisan’ireo mpitondra izany voalaza rehetra izany na ho toy ilay toriteny nalaza teny Antsonjombe na ho toy ny sarisary zaritenany ihany na koa sariteny amin’ny maha sariteny azy fa dia isaorana aloha ny minisitra teo aloha izay efa naman’izao fitondrana izao teo aloha ihany nampahatsiahy hoe ny politika sy ny fitantanana firenena dia tsy fihetseham-po. Rehefa fihetseham-po no mibaiko anao, hoy izy, izay no handraisanao fanapahan-kevitra dia diso ny fanapahan-kevitrao. Mbola resaka nanidina daholo aloha hatreto ny tanamasoandro, ny flyover, ny teleferika, ny lala-migodana sy ny rehetra rehetra iny, hoy ny fitenin’ny tanora ankehitriny. Inona no fampanantenana tsy efa natao teto? Tsy hanao politika intsony aho raha tsy vitako ny RN 13. Mbola tsy azon’ny filoham-pirenena ihany angamba hatramin’izao fa io malagasy io anie ka efa lasa mpiandry daholo! Mpiandry kendritohana daholo izao ny malagasy. Efa eo koa ny tekinolojia ho an’ny ety an-drenivohitra hanarahany izay hagegena tsy voafehin’ireo olon-dehibe eto amin’ity firenena ity. Efa niaraha-nahita daholo moa izany ka angamba tsy ilaina averina tanisaina intsony fa ny andrasana izany izao dia ny hoe taonan’ny asa indray ity taona ity. Taona miisa 4 izany izao no efa nambaran’izao fitondrana izao fa taonan’ny asa. Ny taona 3 voalohany efa niarahantsika nahita fa mbola fahantrana lalina hatreto no vokany. Ity fahaefatra mbola lazaina ihany fa taonan’ny asa nefa lazaina koa fa taom-pifidianana dia ho hita eo indray aloha hoe hanao ahoana. Natao nipopoaka be indray tsinona omaly ny serasera fa hoe nomena alalana noho ny ahamehana na dia tsy manaraka ny arofenitra aza ny fanamboarana ny lalam-pirenena be dia be atsy sy aroa. Asa moa fa dia ho hita eo tokoa !
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap