airtel

Edito

03-févr-2023

Edito

Zatra mandika fitsipika

Sample post image

Ny lalàna eto Madagasikara moa efa malaza hatramin’izay hoe samy mandray amin’izay tiany handraisana azy, araka izay mampetipety azy avy ireo mpitondra nifandimby.

03-févr-2023

Samy mandika izany amin’izay tiany handikana azy. Mbola maharesy lahatra ny maro fa fomba amam-panao hatramin’izao eto amin’ity Madagasikara ity izany. Firifiry amin’ireo mpanao politika sy mpandinika ny fiainam-pirenena eto moa izao no tsy niteny hoe mila amboarina io lalampanorenana eto io na koa hoe maika noho ny fifidianana hafa rehetra ny fifidianana lalàna? Heverina fa famitaham-bahoaka ny filazana fa tena tonga lafatra, tsy misy tomika tokoa ny lalàna rehetra misy eto satria dia mbola matetika mipetraka ny fanontaniana toy ny hoe rehefa ny olon-tsotra na mpanohitra ve no manao an’izao dia natao ho voasazin’ny lalàna fa rehefa ny mpitondra na ny akaiky ny mpitondra dia avelavela fotsiny amin’izao? Mifanakaikaiky zotra ihany moa ny atao hoe lalàna sy ny atao hoe fitsipika na “discipline”, hoy ny teny vahiny, ary io resaka fitsipika io no tena hita ho lasa kolontsaina mihitsy amin’izao fotoana izao ny fahazarana mandika azy. Zatra mandika fitsipika loatra angamba manomboka any amin’ireo mpitondra ka zary fitaratra manahirana ho an’ny hatrety ifotony mihitsy. Vao omaly izao no niaraha-nahita tamin’ireny fidinana ifoton’ny minisiteran’ny asa vaventy ireny, ohatra, ny fisiana tantsaha manaha vary eny amin’ny sisin’ny lalam-pirenena izay toa izy ireo indray no gaga hoe fa angaha tsy mety izany? Toy izany koa ireo mpanasa fiara nanamoron-dalana. Mandeha ny kihana mikasika ireo mpilalao baolina kitra malagasy nahita fifanarahana tany amin’ny CHAN hoe ny mpilalaon’olona tsy mahazo mifandray amin’iza na iza rehefa manao ny antsoina hoe “mise au vert” fa ny antsika mahita izay manasonia fifanarahana na “contrat”. Ny fitondram-panjakana mihitsy aza no nanasa ireo zokiny hiara-hisakafo taminy 1 andro mialohan’ny andro fahatelon’ny fifanitsanana ho an’ny CAN 2019 koa! Fa angaha moa tsy avy any ambony ny ohatra? Mandroso, hoy ny fitondram-panjakana ny ady amin’ny kolikoly eto amintsika matoa mandroso ny laharana. Nanazava anefa ny sehatra mpanome ny laharana na “Transparency international” fa tsy hoe nivoatra akory ny naotintsika no nahatonga izany fa noho ny naotin’ireo firenen-kafa izay niha ratsy. Aiza ny fanajan’ireo mpitondra sasany ny fitsipika momba ilay lazaina foana hoe fampitam-baovao marina izany ao anatin’izany rehetra izany? Zary lasa kolontsaintsika ity ilay zatra mandika fitsipika na ho an’ny farany vaventy io na ho an’ny farany bitika!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap