tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Edito

Zazaina lava

Nalaza nandritry ny andro maro ny filoham-pirenena, praiminisitra hatramin’ireo minisitra nizara vary sy laoka sy vary cantonais na “riz cantonais”

17-mars-2023

Sample post image

nitety faritra sy ny depiote malaza tombanana ho kandida ho filoham-pirenena nitety faritra ihany koa hoe mihaino vahoaka na mihava. Ny filoham-pirenena sy ny ekipany nanao “gargotte tour” dia ity mety ho kandida vaovao ity nanao “Mihava tour”, hoy ny vazivazy zaritenan’ireo mpanara-baovao. Tsy dia hidirantsika loatra ny mikasika ny an’ilay kandida vaovao fa ny tena mampametra-panontaniana dia hoe tsy mahita afa-tsy izany fizarazarana vary sy laoka izany ve sisa ilay filoham-pirenena sy ireo governemantany iray manontolo amin’izao famaraparanana ny taom-piasany izao ho atao? Izay ve no tena hoe fototra ahafahana manarina ireo traboina amin’ny fahavoazana nahazo azy? Dia ho zazaina lava toy izany foana ve izany ilay vahoaka? Ny hiteny hoe “Ity babah dia pepe tsara!” sy “dodo zazah” angamba sisa tsy heno notenenin’ny filoham-pirenena sy ny ekipany fa dia tena hoe fitondrana ny vahoaka ho toy ny zaza na “enfantilisation” tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona koa ity. Tsy vola avy amin’ny filoham-pirenena rahateo io fa ao anatin’ny tetikasa haraton’aina izay avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ary mitentina 250 tapitrisa Dolara rahateo io, hoy ny fanazavan’ny mpanao politika iray azy vao omaly koa. Dia iny indray omaly fa dia notapahana daholo ny lalana izay notombanana ho lalovan’ny filoham-pirenena tamin’iny Andoharanofotsy sy ny manodidina iny. Tapaka indray ny fiharian’ny olona sy ny fandaharam-potoanam-bahoaka rehetra nefa mbola tsy hita nanangasanga akory ny kortezin’ilay hoe handalo. Ny nosy rahavavy atsy Maorisy atsy mirehareha fatratra hoe mbola tsy nihatsara nihoatran’izao ny sandam-bolan-drizareo dia ny Roupie. Nandalo tao ny COVID, ny rivodoza Freddy, niaina ny fiantraikan’izany ady atsy Okrainina izany koa ny tao nefa dia izany ankehitriny ny ekonomiany. Reharehan’ilay firenena! Ny eto dia fialana bala amin’ny tsy fahombiazam-pitantanana hatramin’izao ireo. Mihetsika kely dia hoe tsy vita noho ny COVID, noho ny ady ao Okrainina, rivodoza Batsiray. Dia hiteny hoe noho ny mpanohitra koa ve nefa raha misy ny firenena toy ny tsy misy mpanohitra indrindra angamba dia ny eto? Vehivavy hankalaza 8 martsa aza rarana !
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Ahodina hatrany
27-mars-2023

Mandeha ankehitriny ny tolon-drizareo frantsay ho fanoherana ny fanemorana ny taonan-dretirety. Hatramin’ny kilonga kely mbola any amin’ny kilasy ambany na ilay antsoina hoe CM,

Card image cap
Fampianaran-diso
24-mars-2023

Any amin’ny sehatry ny finoana moa no matetika andrenesana ny voambolana hoe fampianaran-diso. Ho an’ny Kristianina, ohatra,

Voir plus