airtel

Fahasalamana

06-mars-2026

Ady amin'ny MPox

Raikitra ny fanaovam-baksiny

Sample post image

Nosantarina omaly teny amin’ny Hôpitaly Miaramila

06-mars-2026

Soavinandriana ny fanaovam-baksiny miady amin’ny nendran-drajako (MPox). Nanokatra izany hetsika fanapariahana izany tamin’ny fomba ôfisialy ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, notronin’ireo Minisitra mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ireo mpiara-miombon’antoka iraisampirenena. Fatra 30 000 amin’ny vaksiny MVA-BN, novokarin’ny Bavarian Nordic ary neken’ny OMS, no efa tonga eto Madagasikara ary natomboka avy hatrany ny fampiasana izany. Ireo sokajin’olona marefo, toy ny mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mety hifandray akaiky amin’ny marary no hisitraka izany voalohany. Tao Mahajanga Faritra no nahitana ny tranga MPox voalohany tany amin'ny volana desambra 2025 tany. Nihanaka ilay valanaretina ka 2000 mahery ny tranga mampiahiahy, ny 460 tamin'ireo no voamarina fa tena voan'ny MPox na nendran-drajako. Efa sitrana ny 430 mahery raha namoy ny ainy ny iray, izay zazavavy kely 3 taona. Nanamafy ny Praiminisitra omaly fa manana fahavononana feno hiatrika sy hifehy ny valan’aretina i Madagasikara, ary efa noraisina mialoha ireo fepetra hentitra hisorohana ny fiparitahany. Nambarany koa fa mitohy hatrany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisampirenena, toy ny GAVI, ny Banky Iraisampirenena, ny OMS ary ny UNICEF, izay manohana ny ezaka ataon’ny Governemanta amin’ny ady amin’ny valan’aretina Mpox sy amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka.
Nangonin'i Jean D.
Fahatongavan'ireo manampahefana teny amin'ny Hôpitaly Miaramila Soavinandriana
 

Dans la même rubrique