airtel

Fahasalamana

06-mars-2023

Fahasalamana

Ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina Nampaneno lakolosy sy nanome toromarika i Rajoelina

Sample post image

Nampaneno anjomara eo anatrehan’ny firongatry ny fidorohana zava-mahadomelina mahery vaika ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, nandritra ny fitsidihany ny Fitsaboana mitety vohitra na “Caravane Médicale”

06-mars-2023

omaly teny amin’ny Coliseum Antsonjombe. Ny fitsaboana mitety vohitra dia manome tolotra ara-pahasalamana isan-karazany maimaimpoana toy ny "radiographie", ny "cardiologie", ny fizaham-pahasalamana ho an'ny reny sy ny zaza, ny fitiliana ny omamiadanan’ny nono sy ny vozon'ny tranon-jaza, ny fitsaboana nify sy ny ati-vava,... Nanome toromarika manokana momba ny fampiasana ireo fanafody omena mba hifanaraka tsara amin'ireo aretina mahazo ireo marary ny Filoha. Ankoatra ireo fizaham-pahasalamana sy fitsaboana dia eo ihany koa ny fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny mahalahy sy mahavavy. Rehefa nandalo teo amin’ny Tranohevan’ny OFNALAT (Office National de la Lutte Anti-Tabac) kosa dia nitondra fanairana noho ny firongatry ny fidorohana zava-mahadomelina mahery vaika ny filoha Andry Rajoelina, ka nanome toromarika hentitra satria tena tafiditra amin’ny tranga mampatahotra sy mila handraisana fepetra haingana io. Tena miparitaka be ny fidorohana ary lasa manimba ny fiarahamonina sy mamono tanora maro, raha ny nambarany. Nanome toromarika ny hanaovana hetsika, indrindra fa any Avaratry ny Nosy tahaka ny ao Antsiranana sy Nosy Be noho izany i Andry Rajoelina eo anatrehan’ny firongatry ny trafikana zava-mahadomelina miditra eto izay matetika avy ao amin’ireo nosy rahavavavy noho izany I Andry Rajoelina. Tafiditra amin’izany ihany koa I Antananarivo izay sokajiana ho ivon’ny fipariahany, ka ny tanora no isan’ny tena lasibatra. Marihina fa nanomboka ny 2021, dia firenena isan’ny nosokajian’ny “ONG Global initiative against transnational organized crime” ho fihodinan’ny trafikana zava-mahadomelina i Madagasikara.
Toky R


 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisy ny hetsika nataon’ny fikambanana Mii’zara niaraka tamin’ny CSB II teny Ambatolampy Tsimahafotsy

Card image cap