SYCAVI na Système Communautaire d’Alerte sur le VIH, olona 34.841 no voatily teto Antananarivo, Antsiranana, Mahajanga, Toamasina ary Toliara, ka 1.708 tamin’ireo no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina VIH. Tetikasa novolavolain’ny fikambanana AINGA/AIDES sy tohanan’ny Expertise France izy io, niara-niombona tamin’ny AFSA sy ny Mad’AIDS, ka ny tanjona dia ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ireo vondrona marefo indrindra manoloana ny VIH/SIDA, toy ny mpivaro-tena, mpitsindrona zava-mahadomelina, mpifankatia mitovy fananahana ary ireo olona efa miaina miaraka amin’ny VIH/SIDA. Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy ny 11 septambra ny tetikasa, ka isan'ny nanome voninahitra izany Faritra Analamanga tamin'ny alalan'ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra RAMANANTSOA Ramarcel Schall nisolo tena an’i RAHARINIRINA Clémence, Lehiben’ny Faritra Analamanga. Nambarany fa tsy andraikitry ny olon-tokana ny ady amin’ny SIDA fa andraikitry ny rehetra, ary nanamafy fa vonona hifanome tanana amin’ireo mpisehatra rehetra ny Faritra Analamanga hiadiana amin’ny SIDA ho tombontsoan’ny vahoaka manontolo.
Toky R