airtel

Fahasalamana

13-mars-2026

AMBOHIJANAKA

Nitombo 6 ireo olona naiditra hopitaly noho ny kompoze

Sample post image

Nitrangana fanapoizinana ara-tsakafo

13-mars-2026

indray tao amin'ny kaominina Ambohijanaka, distrikan'Atsimondrano andro vitsivitsy lasa izay. Vokatry ny fihinanana kompoze no nahatonga izany hoy ny vaovao azo ka miisa 4 ireo marary voatery naiditra hopitaly nalefa ao amin'ny CHRD Bongatsara raha efa sitrana ny 3. Na izany aza dia mbola nahitana tranga hafahafa indray omaly Alakamisy 12 Martsa. Miisa 6 indray mantsy ireo olona marary vaovao naiditra hopitaly. Misy amîn'izy ireo no avy ao amin'ny Fokontany Mahamaimandry, Soaranokely, Ambatolampy ary Mandalotsimaka.Manoloana io tranga io dia nandray fepetra avy hatrany ny tompon'andrakitra eo anivon'ny distrika, kaominina, zandarimaria, ny CSBII nanakatona ilay toeram-pivarotana hani-masaka tao Ambohijanaka izay nolazain'ireo marary fa nihinanany ilay kompoze. Ankoatra ny maionezy mifangaro amin'ny sakafo izay mety mivadika ho poizina moa rehefa tratry ny masoandro dia atahorana koa ny menaka raha tsy latsa-danja amin'ireo ny resaka fahadiovana ka tokony hotandreman'ny rehetra.
Nangonin'i Pati
Légende : Nitangoronabe tahaka izao ny olona !
 

Dans la même rubrique