airtel

Fahasalamana

28-déc-2022

Fahasalamana

Antananarivo renivohitra Tratran’ny gripa mahery ny 70% n’ireo manatona mpitsabo

Sample post image

Mbola tena miparitaka be ny gripa mahery eto an-drenivohitra. Ny 70%-n’ireo olona tonga manatona tobim-pitsaboana dia saika voany avokoa indrindra taloha sy taorian’ny fetin’ny Noely.

28-déc-2022

Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Hary Rakotondratrema, lehiben’ny tobim-pitsaboana iray etsy Andravoahangy dia tafakatra 40 ka hatramin’ny 50 isan’andro amin’izao ireo marary tonga manatona azy ireo raha 20 isa teo aloha. Mila mitandrina araka izany ny rehetra indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao izao. Mitovy amin’ny fisorohana ny aretina COVID 19 ihany moa ny fisorohana ny gripa mahery toy ny fanaovana arovava orona, ny fanasan-tanana amin’ny savony matetika, ny fanajana ny elanelana 1 metatra, indrindra fa ny fihinanana voankazo sy legioma isan’andro ampian’ny fahampian’ny torimaso sy ny fisotroana rano betsaka.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

14 taona tamin’ny volana martsa teo izao no nijoroan’ny Manda Bio Santé, hoy ny tompony

Card image cap