airtel

Fahasalamana

17-janv-2024

ARETI-MASO « CONJONCTIVITE BACTERIENNE »

Efa tonga any Alaotra Mangoro sy Atsimo Andrefana

Sample post image

Tena efa miparitaka izaitsizy manerana ny faritra maro ilay areti-maso

17-janv-2024

conjonctivite bacterienne amin’izao fotoana izao. Taorian’ny tany Mahajanga izay niaingany dia efa nahitana ity areti-maso ity ihany koa tao Toamasina ary ankehitriny dia efa any amin’ny distrikan’Amparafaravola Faritra Alaotra Mangoro koa izany raha toraka izay ny Faritra Atsimo Andrefana. Olona fantatra fa avy any Mahajanga no voalaza fa voan'io areti-maso io, ary nanaparitaka izany any amin’ireo toerana ireo. Efa nisy araka izany ny fepetra noraisin’ireo tompon’andraikitra hisorohana ny fiparitahan’io aretina io any an-toerana toy ny fanaraha-maso ireo mpandeha mivoaka sy miditra ao Alaotra Mangoro sy Atsimo Andrefana indrindra fa ireo avy any Mahajanga. Toraka izany koa ny fanentanana ny tsirairay mba tsy hifanorokoroka be amin’izao fiarahabana ny taona vaovao 2024 izao, ny fanasan-tanana amin’ny savony matetika sy ny fampiasana gel, ny fanaovana solomaso hiarovana amin’izany raha misy ary indrindra ny fanatonana mpitsabo raha vantany vao misy tranga hafahafa toy ny maso mena sy mangidihidy, mivonto sy manaintaina ….Tsiahivina moa fa mahatratra herinandro eo ho eo vao mety ho sitrana tanteraka ny areti-maso ho an’ireo izay tratran’izany raha araka ny fijoroana vavolombelona nataona marary iray. Manodidina ny 8.000 Ar kosa ny vidin’ny fanafody iray raha roa farafaharatsiny no tokony hananan’ny dia ny Collyre gentamicine sy ny Tétracycline pommade.
Pati
Legende : Ankoatra ny fanafody dia tokony hadio hatrany ny tanana mikasika ny maso !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tafakatra 65% ny tahan’ireo tanora tovovavy sy vehivavy manao fanabeazana aizana eto amintsika

Card image cap