Ankoatra izay dia olona iray isaky ny 3 segaondra ihany koa no lasibatr’ity aretina iray ity maneran-tany raha mitontaly 50 tapitrisa izy ireo manerana izao tontolo izao. Mihoatra ny 50% ireo fianakaviana mitaiza olona mararin’ny alzheimer araka izany maneran-tany ary samy mahatsapa fa mhasimba ny fahasalamany noho ny andraikitra maro sahaniny ao anatin'izany fitaizana izany. Tena sarotra mantsy ny mitaiza ireny olona ireny no sady mitaky fandavan-tena be dia be tokoa. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia ny vehivavy matetika no lasa misahana ny fitaizana ny havany voan'ny aretina Alzheimer indrindra fa ny aty amin'ny tany an-dalam-pandrosoana toa antsika. Tsiahivina moa fa tsy sitram-panafody ny aretina alzheimer. Mila fitiavana ihany koa mantsy ny marary hampifamenoina amin'ny fanohanana ara-tsosialy.
Pati
Nalaza tato ho ato ny firongatry ny alika romotra na ny kaitr’izy ireny sy ny fepetra