ankehitriny ireo olona tratry ny AVC na ny Accident Vasculaire Cérébral. Nambaran'ny Dokotera Jean Claude Ratsimivony, Lehiben'ny Vondrona JCR fa vokatry ny fomba fiaina sy ny fisakafoanana no mahatonga io aretina io fa tsy tongatonga ho azy akory. Sakafo maty hatrany ohatra no hohanintsika betsaka toy ny vary,ny hena, ny matavy, ny charcuterie ity farany izay manentsina ny lalan-dra haingana fa tsy ny sakafo velona toy ny legioma, ny voankazo. ny crudité...Toraka izany koa ny fisian'ny otrik'aretina an-taonany na amam-bolana maro ao anatin'ny vatana tsy voatily sy tsy voajery. Miantso ny olona tsy ho varimbariana araka izany ity Dokotera iray ity fa hanatona toeram-pitsaboana mba hijery ny fahasalamany raha vantany vao misy tsy metimety. Ho an'ny vondrona JCR izay tantanany manokana dia afaka mitily ny fahasalamana tsara izy ireo no sady manoro sy mampianatra ny sakafo hohanina sy ny fomba fiaina. Mañana tambavy manadio ra ihany koa izy ireo hanalana ireo toxine sy karazana poizina ahiana hanentsina ny lalan-dra. Notsiahivin'imny Dr Jean Claude Ratsimivony fa aretina mahafaty avy hatrany na mamela takaitra ratsy eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona ny ACV. Mety halemy avy hatrany mantsy ny vatan' izay olona tratrany na ny ilany fotsiny. Misy karazany roa ihany koa ny ACV raha ny nambarany dia Ilay manentsina ny lalan-dra mankany amin'ny fo na any amin'ny ati-doha. Ho an'ity farany manokana dia mety ho tapaka avy hatrany koa Ilay lalan-dra hany ka tsy tonga any amin'ny ati-doha intsony Ilay oxygène. Raha tonga ora 2 na 4 aorian'ny fahavoazany any amin'ny dokotera anefa Ilay marary dia mety mbola azo antenaina ihany ny fiverenan'ny fahasalamany amin'ny laoniny saingy tsy misy tsara ohatra ny misoroka.
Pati
Légende : Izy no Dr Jean Claude Ratsimivony, Lehiben'ny Vondrona JCR !