tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fahasalamana

Bezara Ernest na Dedesse Ny aretina diabeta no nitarika ny fahafatesany

Nodimandry omaly tao amin’ny tobim-pitsaboana tsy miankina Samaritain Antsiranana ny mpanankato Bezara Ernest, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Dedesse.

07-nov-2022

Sample post image

Tamin’ny 25 jolay 1951 izy no teraka izany hoe : 71 taona ankehitriny. Ny aretina diabeta izay nitaiza azy no nitarika ny fahafatesany raha araka ny vaovao azo.Noentina avy hatrany any Anivorano Avaratra any Antsiranana II, toerana niaviany ny razanaRaha tsiahivina kely dia mpanankato nalaza nanomboka tamin’ny taona 1970 i Dedesse ary tsy nety lefy laza mihitsy.Sady mpamoron-kira izy no mpihira no mpitendry zava-maneno ihany koa. Maro ireo hira nahafantarana azy, toy ny "samia mamisavisa", "manantena aho", "Zagnahary tsy aroe", "nankaiza izy ireo", "rôpilany", "makakilaky", izay nahazoany loka nasionaly, "misy farany raha jiaby", Marobe ihany koa ireo mpanakanto malagasy malaza izay novolavolainy sy niara-niasa tamin’Itompokolahy toa an'i Francisko, Sily de Vavatenina.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

Card image cap
ARETINA TAZOMOKA Olona 6 tapitrisa no voaaro tato anatin'ny 5 taona
01-juin-2023

Olona enina tapitrisa mahery no voaaro tamin'ny aretina tazomoka tato anatin’ny 5 taona teto amintsika.

Card image cap
Fahatapahan’ny lalan-dra tampoka Mila fitandremana ny fandroana amin’ny rano mangatsiaka
01-juin-2023

Zary lasa aretina mpahazo ny olona maro ankehitriny ny fahatapahan’ny lalan-dra. Any amin’ny loha amin’ny ankapobeny no tena henjehin’izy io,

Voir plus