médicale : "Sarobidy ny aiko" ity. Anisan'izany ny fanentanana momba ny ady atao amin'ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy (VBG), ary ny heloka mamoafady, indrindra fa ny fanararaotana ara-nofo hatao amin'ny zaza. Anisan’ny antom-pisian'ny BFP izany ka afaka mitoroka avy hatrany eny amin'ireo toerana rehetra lalovan'ity Caravane Médicale ireo izay hiharan'ireo tranga ireo. Natomboka omaly Alarobia 26 Febroary ny hetsika tao amin'ny kianjan' Ambohidratrimo. Hitety tanàna sy faritra maro izany, tahaka ny ao Maevatanana, Ambatoboeny, ary Mahajanga. Maimaim-poana avokoa ireo tolotra rehetra ao anatin'ity hetsika sosialy sy fitsaboana ity. Lohahevitra navoitra tamin’ity andiany voalohany ity moa ny hoe : "Fitovian-jo sy Fizakan-tena ho an'ny Vehivavy sy ny Tovovavy Rehetra." Tonga nanokatra izany omaly ny Filohan’ny Antenimieran-doholona, notronin’ireo vehivavy ministra sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
Pati
Legende : Vonona hanampy ireo vehivavy sy ankizy ny BFP !
Nalaza tato ho ato ny firongatry ny alika romotra na ny kaitr’izy ireny sy ny fepetra