airtel

Fahasalamana

15-déc-2021

Fahasalamana

CHU-JRA Ampefiloha Nitombo avo roa heny ny toerana handraisana marary

Sample post image

Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny Velirano faha 5 nataon'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina dia ny fahasalamana ho an'ny rehetra tsy mifidy sokajin-taona,

15-déc-2021

 hoy ny fampitam-baovao omaly. Fotodrafitrasa ho an'ny fahasalamana roa sosona no notokanana omaly 14 desambra 2021 dia ny fanitarana ny sampana vonjy aina ao amin'ny CHUJRA sy ny "salle de rééducation" eo anivon'ny Centre d'appareillage ao Befelatanana. Nampitomboina avo roa heny ny toerana handraisana ny marary ao amin'ny sampana vonjy aina ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha. Nampiana sy nohatsaraina ihany koa ny fitaovana handraisana ireo marary, ary notolorana “extracteurs d’oxygène” sy “moniteurs de surveillance” ity sampan-draharaha ity. Nampahatsiahy ny filoham-pirenena fa ny fitsaboana voalohany eny amin’ireny sampana vonjy aina ireny dia maimaimpoana ho an’ny marary rehetra tsy ankanavaka. Izany dia tafiditra ao amin'ny nanokanana “Fonds d’Urgence Sanitaire Nationale” nosoniavina ny volana oktobra lasa teo. Raha ny eto amin’ity sampana eto amin'ny CHU-JRA ity fotsiny no resahana dia efa maherin’ny telo arivo ny marary nisitraka izany hatreto. Nomena fitaovana harifomba isan-karazany ihany koa ny “Salle de rééducation” eo anivon'ny “Centre d’Appareillage de Madagascar” ao Befelatanana. Manomboka izao dia azo atao tsara eny anivon’ny hopitalim-panjakana ny fampianarana manetsika indray ireo ratsambatan’ny olona tsy afaka manao izany noho ny antony maro toy ny niharan’ny voina ara-batana sy ireo “paralysé” na tsy afa-mihetsika noho ny fahatapahan’ny lalan-drà.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap
22-avril-2024

Ny 90%-n’ireo ankizy latsaky ny 6 taona eto amintsika no fantatra fa tratry ny aretin-nify.

Card image cap