Fanavaozana alalana hisokatra, efa miasa
Ela ny ela fa nisokatra ihany ny tobim-pitsaboana fototra CSB II ao Amborompotsy, kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia efa 4 taona teo ho eo izay no nahavitan’ny foto-drafitrasa saingy tsy nety nanome alalana ny mba hahafahany misokatra sy miasa mihitsy ny Fitondrana tamin’izany fotoana. Tsy nety nanome dokotera....ihany koa. Ankehitriny novahan’ny Fitondrana Fanavaozana ny olana. Nomen’ny Ministry ny fahasalamam-bahoaka alalana mba hisokatra ny CSB II ao Amborompotsy Talatamaty. Mbola nomeny dokotera sy infirmiera ary mpampivelona ihany koa hanatanteraka ny fandraisana an-tanana ireo mpiara-belona mila famonjena. Notokanana tamim-pomba ofisialy ny foto-drafitrasa niaraka tamin’ireo karazana fitaovana ao anatiny. Sady afaka mandray mpiteraka no afaka mandray marary araka izany ity CSB II ity. Nambaran’ny Ben’ny tanana Raharinosy Elie Dominic fa vao miisa 2 izao ny CSB II ao Talatamaty. Tsy maharaka ny filan’ny mponina izany hoy izy raha ho an’ireo Fokontany miisa 12 hany ka mbola ezaka hotratrarin’ny kaominina ny hanangana CSB II fanin-telony. Ankoatra ny mponin’i Talatamaty moa dia afaka mandeha sy mitsabo tena ao amin’ity tobim-pitsaboana fototra vaovao ao Amborompotsy ity ihany koa ireo mponina avy amin’ny kaominina rahavavy manodidina.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokanana ny foto-drafitrasa !