airtel

Fahasalamana

17-nov-2026

Fandrarana ny

farmasia tsy hiasa 24

Sample post image

Tsy ekenay ! Natao hamelona

17-nov-2026

fa tsy hamono ny farmasia ! »

Misy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Holafitry ny farmasianina mampiato ny fahafahana misokatra amin’ny ora sy fotoana rehetra, ka mampitaraina ireo voakasika, raha ny fampahafantarana omaly tetsy Antaninandro. Hihatra ny 21 novambra, saingy mbola manao « pétition » sy manohitra an’izay ireo farmasianina hatreto. Misy ireo farmasia eto Antananarivo nivarotra fanafody nanao 24/24ora, 7/7andro am-polo taonany maro, nisy efa 35 na 40 taona, efa nahazatra ny mpanjifa, ka nanaitra ireo ambaratongam-pahefana. Efa fantatry ny mpanjifa hoe aiza avy no misy farmasia miasa 24/24ora eto Antananarivo, ary ny aretina tsy mampilaza, mety lavitra ny farmasia mpiandry raharaha, ary tsy misy antoka fa hisy ny fanafody ilaina. Ny lalàna dia tokony ho natao handrindra ny fiarahamonina, fa tokony ho natao hampivoatra. Betsaka ny holafitra teo fa tsy nikitika an’io. Maninona ny Pharmacie d’Ambohibao mihava 24/24ora, 7/7andro, kanefa ny eto Antananarivo Renivohitra misy an’izay. Ny holafitra ve iray ihany sa samihafa ka ny lalàna dia tokony hitovy erak’i Madagasikara, hoy ireo farmasianina, hoy ireo farmasianina. Sokajian’izy ireo ho vao mainka manome vahana ny varo-maizina amin’ny tontolon’ny fanafody izay saropady ny fanapahan-kevitra.

« EFA TSY AMPY MBOLA HOFERANA, NATAO HAMELONA FA TSY HAMONO NY FARMASIA »
« Tsy fantatray izay ao ambadika, fa izahay dia mila farmasia mivoha 24/24ora, fa tena mampjaly ! », hoy ireo olon-tsotra. « Ny farmasia tsy natao hamonoana marary fa hamelona, fanapahan-kevitra noraisin’ny besinimaro ve io sa nataon’olom-bitsy, ary tsy ny olon-drehetra no hahafantatra hoe ary ny farmasia mpiandry raharaha ! Lavinay tanteraka ny fandrarana ny sasany tsy hanao 24/24ora, halalao io, avelao ny tombotsoan’olom-bitsy », hoy hatrany kosa ireo farmasianina. Arak’asa sy arak’olona, 20 hatramin’ny 30 mahery ny miasa amin’ny farmasia, manao « tour de garde », ka raha mihatra io dia ho aiza ireo mpiasa raha hatao 12 ora ihany, hoy ireo manahy ho very asa. Manamafy ireo farmasianina fa ny « Farmasia mamonjy maina fa tsy sanatria farmasia hamono olona. Arakaraka ny hamerana ny farmasia tsy hiasa 24/24 ora, dia mamono olona ilay izy». Ny mahagaga, hoy ny fanamarihana, dia ny farmasia eto Antananarivo fa ny amin’ny Faritra hafa tsy voakasika, ka ny tombotsoan’ny rehetra ve no jerena sa an’olom-bitsy, ka nilaza izy ireo fa tsy hanaiky an’io. « Mahagaga ilay hoe ferana ilay izy, izahay tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana, dia nahatsapa fa tsy ampy ny farmasia miasa amin’ny alina, voafetra ihany ny fanafody amidy ao amin’ny hopitaly, ary maniraka ny olona mandeha mivoaka. Ny zavatra tsapa dia tsy ampy ny fanafody any amin’ny farmasia, ka nanome toromarika hoe : ampio ireo farmasia miasa amin’ny alina fa tsy ampy. Raha eny Andravoahangy ilay olona, dia mety any Anosizato vao hahita, na any Avadrano, ka mahagaga hoe : ny eo aza efa tsy ampy, dia mbola rarana indray ireo efa manao, ka sao dia hoe misy tombotsoan’ny sasany tiana havoaka, na misy fankahalana ireo miasa 24/24ora, ka tokony hojerena», hoy kosa ny dokotera iray efa misotro ronono.

HANOLOTRA VOLAVOLAM-PANINTSIANA NY LALANA…
« Voatohintohina ny tombotsoam-bahoaka, voatohintohina ny fahasalamam-bahoaka, ka miditra an-tsehatra izahay, tsy sanatria mitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny farmasianina fa ny tombotsoan’ny besinimaro no jerena, hoy ny depiote Naina Ramboavelo, ka nilazany fa misy zavatra ahiana hiteraka savorovoro sy korontana io toe-javatra io, ka tokony hojeren’ny fahefana mpanatanteraka, ary handray tandrifiny mpanao lalàna. Any amin’ny tany mandroso, hoy izy, amporisihana aza ny farmasia amin’ny tanan-dehibe mba hanao an’ilay 24/24ora ka izay efa manana fandavan-tena an-taonany maro indray ve no sakananana. Nanipika fa tsy filana ady na filana kisa koamin’ireo tompon’andraikitra. Hisy, raha ny nambarany ny volavolam-panintsiana na « amendement » amin’ny andinin’ny 2011-009 tamin’ny 15 jona 2011, ezahana sy hanaovana antso avo amin’ireo solombambavambahoaka, mba ho tafiditra amin’ny fandaharam-potoana manaraka, ary hanentanana ireo depiote. « Avelao izay olona mazoto hanao 24/24ora sy 7/7 andro hanao, tsy sanatria mitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny farmasia, fa nisy « pétition » tonga, misy fitarainan’ny vahoaka », hoy hatrany io depiote io. Andrasana kosa andaniny ny mety ho setriny na fanazavana avy amin’ny Holafitry ny farmasianina manoloana ity toe-javatra ity.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

16-nov-2026

tsy an’asa eto amintsika izao

Card image cap
16-nov-2026

Hopitaly lehibe 7 misitraka fampitaovana raitra

Card image cap