Notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly tao Mahajanga ireo fitaovam-pitsaboana vaovao sy maoderina ho an’ny CHU Mahavoky Atsimo sy ny CHU PZaGa Androva, vokatry ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Japon ao anatin’ny tetikasa fanatsarana ny tolotra ara-pitsaboana eny amin’ireo hopitaly lehibem-paritra samihafa. Tonga nanatrika ny lanonana ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, Médecin Général de Brigade Zafitasondry Ranoelson Marcellin sy Ramatoa vadiny, nisolo tena ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely Randrianirina Michaël. Nanotrona azy ireo ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Monira Magnana, niaraka tamin’ny solontenan’ny JICA sy ny Masoivohon’i Japana eto Madagasikara, Tojima Hitoshi. Anisan’ireo fitaovana natolotra ho an’ny CHU Mahavoky Atsimo ny scanner Canon Aquilion Serve 80 coupes misy « injecteur automatique », fitaovana ara-pitsaboana miisa 160 ary fitaovana fanatoranana miisa 20. Ho an’ny CHU PZaGa Androva kosa dia nahazo « échographie » miaraka amin’ny Doppler, respirateurs ary fitaovana hafa manatsara ny fikarakarana ny reny sy ny zaza, ny fiterahana ary ny fandidiana. Nambaran’ny Médecin Général de Brigade Zafitasondry Ranoelson Marcellin fa anisan’ny laharam-pahamehan’ny Fanjakana Fanavaozana ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana sy ny fahafahan’ny vahoaka mahazo fitsaboana mendrika. Nambarany fa rehefa salama ny vahoaka dia afaka mandray anjara bebe kokoa amin’ny famokarana, fanorenana ary fampandrosoana, manomboka ao an-tokantrano ka hatramin’ny fandraisana anjara amin’ny fiainam-pirenena. Tanjona amin’ny fanolorana ireo fitaovana ireo ny hampifanakaikezana ny tolotra ara-pahasalamana amin’ny mponina sy ny hanomezana fikarakarana manara-penitra eny ifotony, mba tsy ho voatery hifindra lavitra ireo marary mila fitsaboana. Nambaran’ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ihany koa fa hanamafy ny fahafahan’ireo hopitaly mandray sy mitsabo aretina ary mikarakara ireo marary mila fitsaboana manokana ireo fitaovana ireo. Nanao antso avo tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana izy mba hampiasa sy hikolokolo tsara ireo fitaovana vaovao ho tombontsoan’ny marary sy ny vahoaka. Fantatra fa efa nisy mpiasan’ny fahasalamana niofana tany Japana momba ny fampiasana ireo fitaovana vaovao natolotra. Nankasitraka manokana ny JICA sy ny Masoivohon’i Japana eto Madagasikara koa ny Médecin Général de Brigade Zafitasondry Ranoelson Marcellin noho ny fanohanana ara-materialy natolotra. Nomarihiny fa hanatsara ny fikarakarana ny marary, indrindra ny reny sy ny zaza, izany ary porofon’ny firaisankina sy ny finiavana hampandroso ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara ny fiaraha-miasa misy amin’i Japon. Mitentina 36,2 lavitrisa ariary ny famatsiam-bola avy amin’ny Governemanta japoney ho an’ity tetikasa ity, ka hopitaly fito manerana ny faritra telo, dia Matsiatra Ambony, Boeny ary Atsinanana, no misitraka izany. Efa notanterahina talohan’izao rahateo ny fanolorana fitaovana ho an’ny hopitaly ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony. Vao ny sabotsy lasa teo no nisitraka ny anjara fampitaovana raitra avy amin’ny Japoney ny CHU Tambohobe Fianarantsoa, ary io nitony tany Mahajanga io.
Toky R