airtel

Fahasalamana

16-nov-2026

PARAMED

Tafakatra 27.000 ireo

Sample post image

tsy an’asa eto amintsika izao

16-nov-2026

Tafakatra 27.000 ireo Paramedy tsy an’asa eto amintsika amin’izao, raha araka ny fanazavan’ny Filohan’ny fikambanana Paramedy Mandray Andraikitra Atoa Harinjaka Josefaniaina. Nandritra ny 6 taona dia "Poste Budgetaire" 2.000 isa fotsiny no azon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka avy amin'ny Fanjakana ho an'ny paramedy hoy hatrany izy. Tsy an’asa avokoa ny ambiny vokatr’izany nefa nahavita fianarana; nivoaka avy eo anivon'ny IFIRP sy ireo avy amin'ny sekoly tsy miankina ihany koa. Ao anatin'izao fotoana Fanapahan'ny eny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny LFI 2027 (Teti-bolam-panjakana taona 2027) izao ary dia mangataka "Poste Budgetaire" sahaza ho an'ireo Paramedy tsy an'asa ny Fikambanana Paramedy Mandray Andraikitra. Miangavy ny Filohan'ny Fanavaozana izy ireo mba hijery akaiky ny momba ireo Paramedy tsy an'asa ireo. Fanompoana vahoaka sy fanompoana Tanindrazana mantsy no nataon'ireo Paramedy hatramin'izay raha tsy hiresaka afatsy ireo infirmier - infirmière sy Sage Femme CTC Covid 19 niatrika ny Valan'aretina COVID fotsiny , izay nanampy ireo mpiray tanindrazana ; kanefa hatreto mbola maro amin'ireny Paramedy ireny no tsy an'asa sy tsy voaray ho mpiasam-panjakana. Manantena arak'izany ny Filohan'ny Fikambanana Paramedy Mandray Andraikitra Atoa Harinjaka Josefaniaina fa hisy vahaolana ho entin'ny Fitondrana Fanavaozana ho an'ireny Paramedy tsy an'asa ireny.
Pati
Legende : Atoa Harinjaka Josefaniaina filohan’ny fikambanana Paramedy Mandray andraikitra sy ny ekipany !
 

Dans la même rubrique

16-nov-2026

Hopitaly lehibe 7 misitraka fampitaovana raitra

Card image cap
13-nov-2026

Tokony horaisin'ny mpitsabo ny

Card image cap