airtel

Fahasalamana

12-mai-2023

Fahasalamana

Diky miparitaka Mahatonga aretina maro toy ny lefankozatra

Sample post image

Marobe ireo karazan’ aretina ateraky ny tay na ny diky miparitaka etsy sy eroa eny anivon’ny fiaraha-monina. Mbola betsaka anefa ireo tsy mahalala izany.

12-mai-2023

Anisan’ireny ny kôlerà , « dysenterie » , ny tifoidra, ny kankatsinay , ny bilariziozy , ny sakoitra ary ny voavary. Eo ihany koa ny aretina lefakozatra na Polio izay mbola mahazo ny zaza Malagasy maromaro hatreto. Mbola nahitana trangan’aretina 200 isa mantsy teto amintsika tamin’ny taona 2022 izay tsiahivina fa mampalemy ny zaza tampoka ka tsy hahafahany mamindra ara-dalana. Miantso ny rehetra mba hifanome tanana araka izany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hahafahana misorohana ireo karazan’aretina ireo. Tsiahivina moa fa zaza miisa 384 305 any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana no ezahina hovitaina vaksiny amin'ity taona ity hiadiana amin'ny aretina Polio.Hotanterahina ny 16,17,18,19 mey ho avy izao izany fanaovam-bakisiny faobe andiany voalohany izany ho an’ity faritra ity ho fiadiana amin'ny aretina lefakozatra na polio izany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mbola betsaka ireo zaza tsy vita vaksiny eto amintsika indrindra fa ny any ambanivohitra.

Card image cap