airtel

Fahasalamana

15-sept-2026

Dimby Tsinjotiana,

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

Sample post image

Miezaka manatsara ilay asa hatrany

15-sept-2026

satria tsy kely lalana ny ratsy»
Olana sedrain’ny mpitsabo nentim-paharazana ankehitriny ny fisian’ny olona mankalaza hatrany fa ratsy ny kolontsaina malagasy sy fitsaboana malagasy, hoy ny mpitsabo amin’ny alalan’ny otra, Dimby Tsinjotiana. Lazaina fa hamosaviana sy toy izany foana ilay izy, hoy izy, nefa niandohàn’ny rehetra vao nankaty amin’ny fitsaboana maoderina. Ny atao, noho izany, dia miezaka manatsara ilay asa hatrany satria tsy kely lalana ny ratsy. Antsoavo no atao amin’ny mpitsabo nentim-paharazana malagasy rehetra manerana ny nosy. Ataovy am-pitiavana ny asa ary ataovy amin’ny finoana sy ny fo satria zava-poana ny finoana tsy arahina asa. Hankalaza ny faha 20 taona naha mpitsabo nentim-paharazana izao ny tena ny 20 septambra izao. Niara-niasa tamin’ny mpitsabo rehetra tao anatin’izany na Dokotera io na mpitsabo nentim-paharazana hafa ary tsara ny natao matoa tonga amin’izao fotoana izao. Hisy ny mari-pankasitrahana ifanolorana anatin’izany fankalazàna izany. Tena hahazoana tombontsoa betsaka ny kolontsaina malagasy, hoy hatrany ny tenany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique