tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fahasalamana

Dr Fidy Bariniaina “Tsy lojika ny hisian’ny fihibohana indray”

Raha miakatra tsikelikely ankehitriny ny tahan’ny olona voan’ny Covid 19 dia mbola manaraka ny fivoarany hatramin’izay izany ilay izy, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Fidy Bariniaina.

10-nov-2022

Sample post image

Janoary, raha tsy diso aho, hoy izy, no nisy PIC farany. Maharitra 8 hatramin’ny 10 volana, mety herintaona mihitsy izany izao io fandalovany amin’ny olona rehetra io ka rehefa tapitra andalovany daholo dia midina indray ilay taha. Mamorona hery fiarovana ny vatan’ilay olona ao anatin’izay 8 hatramin’ny herintaona izay. Tsy dia hatahorana hameno hopitaly intsony io satria efa miha mitombo foana izay hery fiarovan’ny olona izay na ilay valanaretina mihitsy no miha malefaka hatrany dia tsy mitranga intsony ireny zava-nisy niainantsika tany am-boalohany ireny. tsy lojika koa noho izany ny hisian’ny fihibohana indray. Ny mety hanohitra an’izay fotsiny dia ny fisiana endriny na “variant” vaovao mety mafimafy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
ARETINA TAZOMOKA Olona 6 tapitrisa no voaaro tato anatin'ny 5 taona
01-juin-2023

Olona enina tapitrisa mahery no voaaro tamin'ny aretina tazomoka tato anatin’ny 5 taona teto amintsika.

Card image cap
Fahatapahan’ny lalan-dra tampoka Mila fitandremana ny fandroana amin’ny rano mangatsiaka
01-juin-2023

Zary lasa aretina mpahazo ny olona maro ankehitriny ny fahatapahan’ny lalan-dra. Any amin’ny loha amin’ny ankapobeny no tena henjehin’izy io,

Voir plus