ankehitriny na dia mbola ao anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina tanteraka aza. Mangatsiaka amin'ny maraina dia mafana tampoka ny atoandro. Indraindray koa anefa misy erika sy orana madinika toy ny omaly sy afak'omaly miampy rivotra mamirifiry, antony mampirongatra ny aretin'ny taovam-pisefoana toy ny gripa mahery sy ny kohoka. Azo hatao tsara anefa ny misoroka ireo karazan'aretina ireo raha araka ny fanazavan'ny dokotera Fidy Bariniaina. Lohalaharana amin'izany ny fanaovana akanjo mafana hatrany ka ny akanjo vita amin'ny akora landihazo no hatao any anatiny indrindra. Faharoa dia ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana misy proteina toy ny hena sy trondro, ny gliosida ahitana ny vary sy ny voamaina...ny lipida ahitana ireo karazan-tsakafo misy menaka ary farany izay tsy kely akory dia ny fanaovana fanatanjahantena amin'ny alalan'ny dia an-tongotra hoy hatrany ity dokotera ity. Na izany aza anefa dia nomarihiny manokana fa tsy tokony hohadinoan'ny tsirairay ny misotro rano isan'andro fa tena ilain'ny vatana izany na dia mangatsiaka aza ny andro. Rano 1 litatra isan'andro no tena mety ho an'ny olona milanja 50 kg hoy dokotera Fidy raha mihoatra kely noho io ho an'ireo somary lehibebe.
Pati
Légende : Izy no dokotera Fidy Bariniaina !