latsaky ny 3 taona no vita vaksiny feno
Araka ny fanadihadiana MICS 2025, mbola ambany ny tahan’ny fanaovana vaksiny ny ankizy eto Madagasikara. Izany dia manambara fa marefo ny fiarovana ara-pahasalamana, indrindra amin’ireo aretina mampidi-doza azo sorohina. Ny vaksiny dia fomba tsotra, azo antoka ary mahomby amin’ny fiarovana mialoha ny fiparitahan’ny aretina, manamafy ny hery fiarovana ary manakana ny fahafatesana sy ny kilema maharitra. Ny tarehimarika dia mampiseho fa 49% monja ny zaza 12 hatramin’ny 23 volana no nahazo ny vaksiny fototra (BCG, Polio3, DTC3, Rougeole1). 27% ny zaza latsaky ny telo taona no nahavita ny vaksiny feno miisa valo (BCG – Polio3/VPI1 – DTC3 – HepB3 – PCV3 – Rota2 – Rougeole2). Midika izany fa zaza iray amin’ny roa eto Madagasikara no tsy voaro amin’ny diphtérie, tétanos ary coqueluche, aretina izay mety hahafaty na hiteraka kilema mandra-pahafatiny. Ny fenitra iraisam-pirenena dia manamafy fa ny fanaovana vaksiny no andraikitra voalohany sy mahomby amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka, indrindra ny ankizy. Tanjon’ny ODD 3 dia ny miantoka fiainana ara-pahasalamana ho an’ny rehetra sy ny fampiroboroboana ny fahasalamana amin’ny sokajin-taona rehetra: « Permettre à tous de vivre en bonne santé et promouvoir le bien-être de tous à tout âge ». Mila fanentanana sy fandraisana andraikitra avy amin’ny ray aman-dreny, ny mpitsabo, ny mpitondra fanjakana ary ny fiarahamonina mba hahazoan’ny ankizy rehetra eto Madagasikara ny vaksiny feno. Ny fiarovana ny ankizy dia fiarovana ny hoavin’ny firenena. Tsy ny ankizy ihany fa vao ny herinandro lasa teo ny OMS no naneho ny tsy fahafaham-pony mikasika tsy fahatrarana ny tanjona mikasika ny vaksiny hiadiana amin'ny MPOX izay 10000 tamin'ny tanjona 14000 ihany no tratra tao anatin'ny iray volana, kanefa fatrana vaksiny 30000 no azontsika ny fiandohan'ny volana martsa.
Toky R