airtel

Fahasalamana

11-août-2022

Fahasalamana

Dr Jo “Tena marary ny firenena”

Sample post image

Maro no voan’ny homamiadana eto Madagasikara, hoy ny dokotera mpitsabo sady mpanakanto no manana fahitana, Jean Pierre Jo Rakotoarisoa na Dr Jo.

11-août-2022

Misy ny homamiadan’ny maso, ny voa, ny ra sy ny marobe, hoy izy. Maro ireo mararin’izany no tsy voatsabo hatrany amin’ny HOMI, CHU-JRA, Hopitaly samihafa no tonga eto amiko izay isaorana an’Andriamanitra fa sitrana izy izao. Jesosy Kristy no isaorako nanome talenta ahafaha-manasitrana azy ireo. 7 taona izay. Nahazo faminaniana aho ka antony hilazako anio hoe tena marary ny firenena. Miparitaka eto amin’ny firenena ny aretin’ny firaisana ara-nofo. Mitodika aminao aho andriamatoa minisitry ny fahasalamana. Mila fiovana sy fandehanana amin’ny lalana tsara ny firenentsika. Mila mitodika amin’Andriamanitra satria isika izao dia anatin’ny fiainana farany lalina no sady potika no fiainan-devoly. Zaza 13 taona izao dia efa “mi-kil” eny 67ha. Mamonjy olona aho amin’ny alina dia mahita an’izany rehefa mandeha eny. Ho avy tahaka ny mpangalatra I Jesoa Kristy. Tsy fantatra hoe rahoviana. Mila mijery ny hoavin’ny firenentsika isika. Aoka isika mba hijery ny zanantsika fa marary. Marary ny tanindrazantsika, ny tokantranontsika, ny ankohonantsika. Mila fahendrena lehibe, fitantanana am-pahendrena tahaka ny tamin’ny andron-dry Solomonina sy ry Davida mpanjaka. Mitodika aminao aho andriamatoa Filoham-pirenena. Nanao fikarohana hanasitranana ny homamiadana aho ary maro koa ny sitran’ny homamiadana eto amin’ny firenena. Azo aseho ato ho ato izany. Misy fotoanany ny zava-drehetra. Aoka mba hanaingy ny mpitondra fa mararin’ny homamiadana sy ny tsy fisiana ny firenena. Jereo ny zanantsika sy ny hoavin’ny firenena fa potika hatramin’ny tanana. Nahazo fahaleovantena niaraka tamin’ny japoney isika nefa jereo izy. Tafita izy na niharan-javatra maro satria nahay niray hina ary ny fitiavana no hery. Izany no tokony hapetraka eto amin’ny firenena fa tsy fitiavan-karena sy vola satria isika 80 taona no eto dia lasa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique