airtel

Fahasalamana

08-août-2023

Fahasalamana

Dr Marius Ramaroson “Efa vetivety izao ny mandidy katarakta”

Sample post image

Miaraka amin’ny orona sy ny tenda ny aretin-tsofina, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson, nanazava ny antony mampirongatra ny karazan’aretina miseho amin’izao mbola vanim-potoanan’ny ririnina izao.

08-août-2023

Io ilay antsoina mahazatra hoe ORL na “Oto-rhino-laryngo”, izany hoe ao anaty tendakely ao, hoy izy. Mifandray amin’ny ativava, ohatra, ny sofina. Raha marary ny ativava dia miantraika amin’ny sofina na koa mifamadika amin’izay. Ny maso kosa dia mitokana na hoe mila “spécialité” hafa mitokana. Resaka tsimokaretina io. Matetika voakasika izany ny maso mena. Nipitihan’ny zavatra io na voadoana. Ny areti-maso hafa indray ilay tsy mahita na tratry ny katarakta ireny. Misy mivonto ao anaty maso na ilay antsoina hoe “glocom” sy ny toy izany. Tsy mikoriana tsara ny ra anaty maso ao. Mena maso koa ny olona amin’io. Ny tsy fahitana moa dia maro no antony. Ny olona misy tosidrà na diabeta, ohatra, tsy mahita rehefa ela ny ela. Ny mikasika ny sofina dia toy ny an’ny tenda. Mety masaka! Anton’izay, ohatra, ny fidirana bibikely na zavatra hafa ao. Mankarary sofina aty ivelany na anatiny izay. Rehefa masaka be io ampongan-tsofina io dia manome ilay antsoina hoe “otite”. Karazan’izany ny totongan-dronono mpahazo ny zaza. Vaky ilay ampongan-tsofina dia mitete rano. Ny areti-tenda moa dia misy ny avy amin’ny tsimokaretina na “virus” dia misy ny avy amin’ny bakteria. Ny “virus” vitan’ny paracetamol sy zavatra aloana fa ny bakteria tsy misy afa-tsy “antibiotique” no azo itsaboana azy. Efa misy karazana fitsapana ahitana izay moa. Tsy tokony hihinana zavatra mangatsika ny olona mparary tenda. Misy taova natao hiaro ny vatan’olombelona ao anaty tenda ao dia ny “amygdale” nefa rehefa lasa tranon’aretina io dia voatery esorina. Ny fisorohana ny areti-maso moa dia ny fizarana manasa tanana amin’ny rano sy savony ary manalavitra ny fifampikasokasohana. Ny katarakta moa tsy maintsy didiana. Ny tsy fahitana mila fanaraha-maso. Efa vetivety izao ny mandidy katarakta noho ny fivoaran’ny tekinolojia raha nanahirana izany taloha. Mahavita 20 isa anaty andro iray. Tsy misy idiran’ny Coronavirus intsony izany rehetra izany. Resaka “virus” koa no mahatonga ilay mena maso ary efa nisy fotoana io nirongatra be teto raha tsaroanareo! Zava-dehibe ny fisorohana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

14 taona tamin’ny volana martsa teo izao no nijoroan’ny Manda Bio Santé, hoy ny tompony

Card image cap