airtel

Fahasalamana

25-août-2022

Fahasalamana

Dr Marius Ramaroson “Mety sokajin’olombelona tsy andaira-nendra-drajako isika”

Sample post image

Mifindra amin’ny alalan’ny tsiranoka ny nendran-drajako na “variole du singe”? hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson.

25-août-2022

Isan’ny fomba fiadiana aminy noho izany ny tsy fanatokatonan’olona misy zavatra mipoipoitra eny amin’ny vatana, hoy izy. Misy karazan’olona natao hahazaka an’io aretina io na ilay antsoin’ny siantifika hoe “réfractaire” nefa. Tsy ahitana fambaran’aretina io na mitondra ilay aretina aza. Mety sokajin’olombelona toy izany angamba isika malagasy. Voajanahary io. Tsy mitovy amin’ny Coronavirus hoe amin’ny alalan’ny rivotra fotsiny io fa tsiranoka any anatin’ny vatan’ilay olona dia sarotsarotra ihany ny hamaritra hoe efa eto ve za tsia fa raha ny tena marina fantatry ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka foana ny fisian’io raha misy. Mbola tsy misy eto io raha izay no notenenin-drizareo. Mila mailo fotsiny isika fa tsy atahorana io satria tsy mora miparitaka fa azo fehezina tsara. Ny Covid 19 moa dia matoa nohalefahana ny fepetra dia efa raisina toy ny gripa tsotra. Ny tokony atao dia ny efa natao hatramin’izay ihany. Manasa tanana, manao maska, mielanelana mba tsy hampiparitaka ilay aretina. Mbola mitombona foana ireny. Ny fihenan’ny herin’ny vatan’ny olona koa noho ny toetr’andro vokatry ny hatsiaka, ny sakafo tsy ampy sy ny zava-mitranga ireny dia isan’ny mahatonga aretina ka mila itandremana, hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas ity.
J.Mirija
 

Dans la même rubrique