airtel

Fahasalamana

12-déc-2023

Fahasalamam-bahoaka

Mampihena 5% ny harin-karena faobe ny fifohana sigara

Sample post image

Isan’ireo Firenena nanasonia ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny

12-déc-2023

sigara i Madagasikara ny taona 2005, ary nankatoa ny fifanarahana mikasika ny ady amin’ny fivarotana gaboraraka ny vokatra mifandraika amin’ny sigara tamin’ny taona 2017. Sambany i Madagasikara no tafiditra tao anatin’ny firenena nanaovan’ny Global Tobacco Survey fanadihadiana mikasiky ny fihetsika sy fisosohan’ny indostrian’ny sigara izay mety hanohintohina ny ady amin’ny sigara «ingérence des industries du tabac » tamin’ity taona 2023 ity. Araka ny tatitra navoakan’ny OFNALAT na “Office National de Lutte Antitabac » sy ny ONG Ny Sahy omaly niainga tamin’io fanadihadiana io, mbola tsy tena mavesatra be izay « ingérence » izay, saingy misy matoa nampidirina tao anatin’ny firenena nanaovana fanadihadiana. Nomarihin’Atoa Haja Ramamonjisoa Filohan’ny ONG Ny Sahy, fa misy ny mety ho endrika fanohanana samihafa ataon’ny indostrian’ny sigara, mety manangana ONG misehatra amin’ny tontolo iainana, kanefa ny famotehana ala amin’ny fanamasahana ny sigara mety lavitra noho izany,... 84000 mégatonne eo moa ny entona manempotra CO2 manimba ny « couche d'ozone » entin’ny famokarana sy fifohana sigara maneran-tany, Maneho fa miady amin’ny homamiadana kanefa ny sigara isan’ny tena miteraka homamiadana, ary mamono olona 8300 isan-taona eo ny aretina avy amin’ny fifohana sigara eto amintsika, mety maka fahefana amin’ny endriny samihafa mba hanalalahana ny tanjony,... Nomarihiny fa tsy tokony hitsabatsabatsaka na hanohintohina ny ady amin’ny sigara ireo indostria.
MAHATRATRA 5% AMIN’NY PIB NY FANTIANTOKA ARA-BOLA
Nanamarika kosa ny Talen’ny OFNALAT Dr Ravelojoeliandriambeloaritafika Aurélien fa tsy midika fananganana ady amin’ny indostrian’ny sigara, fa resaka fahasalamam-bahoaka no atao satria 90% amin’ny mararin’izany no tsy marary raha manaraka ny fisorohana sy ireo fepetra ara-pahasalamana toy ny ara-tsakafo,… Nohamafisin’ny Talen’ny OFNALAT fa 491 miliara Ar isan-taona ny fantiantoka ara-pahasalamana ateraky ny sigara sy paraky raha ny tatitry ny PNUD ny taona 2019. Olona iray mifoka dia misy fiantraikany, tsy mahavita miasa, tsy afaka mamokatra araka ny tokony ho izy,… miteraka fihenana eo amin’ny 5% amin'ny harin-karena faobe na PIB satria tsy afaka tena mamokatra. Nisy noho izany ny fandrafetana ny « code de conduite » hifehezana fitondran-tenan’ny mpiantsehatra amin’ny ady amin’ny sigara sy ireo mpanapa-kevitra ara-panjakana eo anatrehan’ny fanomezana tombondahiny ny indostrian’ny sigara. Noresahana ihany koa ny tokony hanafainganina ny fisian’ny lalàna na « loi anti-tabac », izay efa vita ny tolo-dalàna, tokony hisy ny vovonan’ny ONG miantsehatra, ny OFNALAT tokony hisy rafitra manokana hanara-maso izay tokony hisy OPJ (Office de Police Judiciaire),…
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nalaza tato ho ato ny firongatry ny alika romotra na ny kaitr’izy ireny sy ny fepetra

Card image cap