tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Fahasalamana

Fahasalamana Mitrosa ny 98%-n’ireo marary tonga manatona mpitsabo

Ny 30%-n’ny Malagasy ihany raha betsaka no manana fahafahana ny hitsabo tena eto amintsika.

24-janv-2023

Sample post image

Hiantohan’ny orinasa misy azy izy ireny raha sanatria tojo tsy fahasalamana fa ny ankoatra izay dia miaina amin’izay hita sy eo am-pelanana avokoa. Tsy mahazo marary araka izany ny 70% fa avy hatrany dia miandry azy ny fahafatesana raha toa ka tsy misy vola. Efa niakatra ho 30.000 Ar rahateo amin’izao ny mizaha fahasalamana eny anivon’ny dokotera tsy miankina, ho an’ny marary iray raha mbola hafa ihany koa ny vidim-panafody. Rehefa tena tojo tsy fahasalamana anefa dia tsy maintsy mandeha ihany. Lasa mitrosa ny 98%-n’ireo marary vokatr’izany, indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Ankoatra ny gripa sy ny kohoka dia mahazo vahana tanteraka ny aretin-kibo vokatry ny fampiasana rano tsy azo antoka. Tsy fo vato ihany koa ireo mpitsabo sasany manoloana izany fa mitsabo maimaim-poana ihany indrindra fa ho an’ireo tena sahirana ara-pivelomana. Ho an’Atoa Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa dia nambarany fa tsy mora ny manampy ny mpiara-belona. Na dia efa tsy nampiakatra sara-pitsaboana aza mantsy izy ireo dia mbola misy hatrany ireo mifampiraharaha hahafahany mitsabo tena ka tsy maintsy raisina. Tsiahivina moa fa mitsabo amin’ny alalan’ny vokatra natoraly izy ireo ka ankoatra ny voankazo sy ny legioma dia mampiasa karazana ravin-kazo efa nanaovana fikarohana manokana ihany koa izy ireo.
Legende : Atoa Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa
Pati
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Dokam-barotra momba ny fanafody Misy fepetra tsy maintsy arahana
07-juin-2023

Olana lehibe tao anatin’ireny savorovoro niseho teo aloha mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana ireny ny fisiana dokam-barotra isan-karazany izay voalazan’ny lalàna fa tsy tokony ho atao,

Card image cap
Fitsaboana nentim-paharazana Simba ny ara-kolontsaina, sosialy, toekarena noho ny fanaonaovam-poana
07-juin-2023

Taorian’ny taona 2019 dia omaly indray vao niverina nanao fivoriambe toy izay fanaony isan-taona tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto etsy Mahamasina ny fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana malagasy na ASTRAMA.

Voir plus