ho an’ny Fikambanamben’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na ANTM. Ny tenako manokana, hoy ny filohan’izy ireo, Josephin Andriandrainarivo, sy ireo filoham-pikambanana miisa 17 ato amin'ny ANTM, izay soloanay tena eto dia misaotra ny Zanahary sy ny Razana ary manantitra ny fanolorana fankasitrahana ho anareo rehetra tonga nandray anjara nivantana, ankoatran’ny teto Antananarivo, ireo avy tany Toamasina, Ambilobe, faritr’Itasy, ny avy tany La Réunion ary ireo nandray anjara tsy nivantana ihany koa. Mbola manentana antsika «Tradipraticiens» na mpitsabo nentim-paharazana rehetra manerana ny nosy samy hanohy ny fandraisana anjara amin'ny fambolen-kazo sy fiarovana ny tontolo iainana ary samy havitrika amin'ny fanasoavana ny fahasalamam-bahoaka ao anatin'ny fanarahan-dalàna sy ireo didy amam-pitsipika momba ny asa maha mpitsabo, hoy hatrany ny foibe ANTM.
Nangonin’i J. Mirija
Nalaza tato ho ato ny firongatry ny alika romotra na ny kaitr’izy ireny sy ny fepetra