satria dia lehilahy iray no voamarin’ny mpitsabo taorian’ny fitiliana ny razana fa matin’ny aretina pesta atoditarimo, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly tao Ivato centra. Nanomboka ny 3 desambra teo no efa nolazoin’ny aretina ity lehilahy 42 taona ity ary nentina notsaboina ny ampitson’iny tao amin’ny CSB1 Ambalalehibe Ambositra ary namoy ny ainy ny alatsinainy 4 desambra tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo. Nalevina an’irotra ny androtr’io ihany ny razana ary efa nandray ny fepetra takian’izany ny manam-pahefana isan-tsokajiny. Ahiana mafy noho izany ny mety ho fihanak’ity aretin-mandoza ity ka ilaina ny fahamailoana, raha ny fampitam-baovao sy fanampim-panazavana hatrany. Aty amin’ny fiafaran’ny taona 2023 aty, araka izany, no mbola misy aretina nandripaka an’i Eoropa efa tany amin’ny taona 1347 hatramin’ny 1351 tany eto Madagasikara. Aretina vokatry ny loto sy ny firongatry ny voalavo moa izy io, raha atao bango tokana.
J. Mirija
Nalaza tato ho ato ny firongatry ny alika romotra na ny kaitr’izy ireny sy ny fepetra