airtel

Fahasalamana

20-nov-2026

Faritra

Amron ' i Mania

Sample post image

Olona 6 matin’ny pesta

20-nov-2026

Olona 6 tao anaty fianakaviana iray no matin'ny pesta tato anatin’ny fotoana fohy tany amin'ny Faritra Amoron'i Mania, izay samy efa nalevina, raha ny loharanom-baovao. Ny 4 voamarina fa voan'ny « Peste Pulmonaire » na pesta aretin-tratra, ny telo efa sitrana ary ny iray mbola manaraka fitsaboana. 750 nitakosoana tamin'ireo efa nahazo fanafody fisorohana. Anisan’ny voakadika ny Kaominina Ambonivohitra AMBATOFINANDRAHANA, Kaominina Ambanivohitra FENOARIVO sy ITREMO. Misy tranga mampiahiahy ao amin'ny Distrikan'Ambositra. Anisan’ny fepetra raisin’ny Fari-piadidian’ny fahasalamana ao Amoron’i Mania ny hetsika fanadiovana mandritry ny 5 volana izay asiana fanolorana fankasitrahana, ka hosokafana anio 20 novambra ny hetsika. Ny tapaky ny volana oktobra moa no efa nitaterantsika teto, fa mamely ny pesta, ka distrika 4 no tena voakasika, dia ny distrikan’Ankazobe sy Anjozorobe ho an’Analamanga ary Ambohimahasoa any Haute Matsiatra. Ahiana ho efa nitombo mazava ho azy ny distrika misy tranga. Raha ny tarehimarika farany navoakan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’izany dia olona efatra no voamarina fa voan’ny aretina nanomboka tamin’ny faran’ny volana jolay, ka nahitana izany tao amin’ireo faritra efa fantatra hatramin’izay ho toeram-pihanaky ny pesta. Anisan’ny tranga iray volana mahery izay ny nisiana olona 3 mianaka maty tany Midongy Atsimo sy Andranolalina. Mila mitandrina sy mailo, ary mila paikady mahomby satria aretina efa resin’ny Firenena maro an-taon-jato ny pesta, saingy mbola misy aty amintsika.
Toky R


 

Dans la même rubrique

20-nov-2026

Nahazo fitaovana ny Fanjakana,

Card image cap