airtel

Fahasalamana

20-nov-2026

Fitsaboana

amin’ny « dyalise »

Sample post image

Nahazo fitaovana ny Fanjakana,

20-nov-2026

ahena ny vesatry ny marary…
Nahazo fitaovana vaovao ampiasaina amin’ny fitsaboana “dialyse”, natao hanampiana ireo marary voa na « rein » sy hanamaivanana ny fandaniana ara-pitsaboana ny Fanjakana Malagasy. Fanohanana avy amin’ny orinasa TSINGSHAN. Ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, no nandray izany, notronin’ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny solontenan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ahitana kojakoja fanjifana (consommables) ampy 10 miaraka amin’ny fitaovana “dialyse” ireo fanomezana ireo. Natao hanatsarana ny fikarakarana sy ny fitsaboana ireo marary voa izany, ary natolotry ny vondrona TSINGSHAN ho an’ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Namafisin’ny PRRM fa laharam-pahamehana ho an’ny Fitondram-panjakana ny fanatsarana ny fahasalamm-bahoaka. Notsindriany fa mbola maro ireo marary sahirana amin’ny fahazoana fitsaboana noho ny halafon’ny “dialyse” sy ny tsy fahampian’ny fitaovana any amin’ny tobim-pahasalamana sasany. Vokatr’izany dia maro no voatery mandeha lavitra na mitady fitsaboana any amin’ny faritra hafa. Araka ny fanazavany, hanampy betsaka ireo marary sy ny fianakaviany ity fanomezana ity, satria efa misy ireo kojakoja ilaina amin’ny fampiasana ny fitaovana. Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanamafisana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka sy ny fanakaikezana ny tolotra ara-pitsaboana manara-penitra ho an’ny olom-pirenena manerana ny Nosy ny fanomezana. Kendrena amin’izany ny hampitomboana ny fahafahan’ireo marary voa misitraka fitsaboana, ny hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana ary ny hampihenana ny vesatra ara-bola zakain’ny fianakaviana. « Ny tanjona dia mba ho zakan’ny Vahoaka malagasy ny saram-pitsaboana ary, indridra, mba hanakaiky azy any amin’ny faritra misy azy izany fitsaboana izany », hoy hatrany ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël. Nanentana ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpitsabo rehetra izy mba hikajy sy hikolokolo tsara ireo fitaovana ireo, mba hahafahan’izy ireo manompo maharitra ireo marary. Nambarany ihany koa fa tsy natokana ho an’ny renivohi-paritany irery ireo fitaovana fa hozaraina amin’ireo faritra rehetra mila izany. Ankoatra izay, nanolotra “kits solaires” miisa 500 ho an’ireo faritra mbola tsy voakasiky ny tambajotran-jiro ihany koa ny orinasa TSINGSHAN.
Toky R

 

Dans la même rubrique

20-nov-2026

Olona 6 matin’ny pesta

Card image cap