airtel

Fahasalamana

07-mars-2022

Fahasalamana

Faritra Ihorombe Nihena ny tahan’ireo olona voan’ny tazomoka

Sample post image

Anisan’ny aretina iray mbola miteraka fahafatesana be indrindra eto amintsika ny aretina tazomoka.

07-mars-2022

Izany indrindra no mahatonga ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy nametraka paikady maro entina hamongorana ity aretina ity. Anisan’ ireny ny CAID izay iarahana amin'ny USAID sy ny VECTORLINK. Distrika dimy ao anatin'ny faritra Ihorombe sy Atsimo Andrefana ahitana ny distrikan' Ihosy, Sakaraha, Toliara II, Iakora ary Betioky Atsimo no nanatanterahana ny famendrahana ranom-panafody faobe tamin’ny taona 2021 nivalona iny noho ny hamaroan’ireo olona mararin’ny tazomoka tany an-toerana. Nisy ny atrikasa fampahafantarana ny vokatry ny asa famendrahana ny Sabotsy teo. Azo ambara fa tsara ny vokatra. Hita taratra tamin’izany ny fidinan’ny tahan'ireo olona voan'ny tazomoka tao amin' ireo distrika dimy voalaza eo ambony ireo ary ezahina hotohizana hatrany izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ilay atrikasa
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap