Tsy hanavahana sokajin-taona intsony izany raha araka ny vaovao azo fa saika mitondra faisana avokoa ny ankamaroan’ny vehivavy noho ny toe- tany volkanika any an-toerana satria misy ireo singa manetsika ny homamiadana. Fa eo ihany koa anefa ny resaka sakafo hanina izay mety hitarika ny aretina homamiadana. Tsy mbola misy ilay antsoina hoe : mammographie anefa any an-toerana fitaovana hahafahana mitily ny nonon’ny vehivavy iray marary mba hahafahana mandray fepetra mifandraika amin’izany. Voatery miakatra eto Antananarivo avokoa ny ankamaroan’ny marary vokatr’izany izay sady mandoa saram-pitiliana lafo dia lafo no mbola mandoa saran-dalana ihany koa. Nisy araka izany ny fanampian’ny masoivohon’i Japon ireo mponina any an-toerana izay nanolotra mammographie ho an’ny Clinique Sœur Zamuda Mwavua Alice. Narahin’ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa izany entina hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo vehivavy. Raha araka ny fantatra moa dia vehivavy 10 isam-bolana no mangataka ny hanao fitiliana ny aretina homamiadana ao amin’iry klinika iray ity raha efa mahatratra 36.6% ny salan’ireo voa manerana ny Nosy.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta
Olona enina tapitrisa mahery no voaaro tamin'ny aretina tazomoka tato anatin’ny 5 taona teto amintsika.
Zary lasa aretina mpahazo ny olona maro ankehitriny ny fahatapahan’ny lalan-dra. Any amin’ny loha amin’ny ankapobeny no tena henjehin’izy io,