airtel

Fahasalamana

22-mai-2026

Feno 100 taona

ny hôpitaly Befelatanana

Sample post image

Hisy fitiliana sy fitsaboana maimaimpoana ao

22-mai-2026

1926 - 2026, feno zato taona ankehitriny ny Centre Hospitalier Universitaire Joseph Raseta Befelatanana. Natomboka ny 19 mey teo ny fankalazana ofisialy izay nosantarina tamin'ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana. Hitohy amin’ny varavarana misokatra izany ny 4 sy 5 jona ho avy izao ka ho hita mandritra izany ny fitiliana sy fitsaboana maimaimpoana ireo aretina toy ny fahatapahan’ny lalandrà sy ny aretin-tsaina, tosi-drà, tratra, areti-mifindra, aretin-koditra, diabeta, voa, fo, vavony, aty ary ny aretin-jaza, izay tontosaina ao amin'ny hôpitaly ihany. Hitohy hatrany amin'ny volana septambra ireo hetsika samihafa hanamarihana ity faha-100 taonan'ny hôpitaly Befelatanana ity. Vina ihany koa ny fanatsarana ny loko sy ny trano ao amin’ny « Accueil Triage Urgence Réanimation » mba ho tsangambato mivaingana ny amin’izao fankalazana izao.
Jean D.
Dihy niarahan'ny mpiara-miasa ao amin'ny hôpitaly Befelatanana
 

Dans la même rubrique