airtel

Fahasalamana

04-juil-2023

Fahasalamana

Fifehezana ny fiparitahan'ny mikraoba Hisy ny paikady vaovao hapetraka

Sample post image

Anisan'ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka ny vahoaka ny ady amin’ny fiparitahan'ny mikraoba. Maro ny

04-juil-2023

karazan’aretina miparitaka ateraky ny fifindran’ny mikraoba ka tafiditra ao anatin’izany ny fiparitahan'ny otrikaretina tsy laitran'ny fanafody intsony. Nandray andraikitra ny Fanjakana manoloana izany ary napetraka ho laharam-pahamehana ny Fahasalamana. Arak'izany, nampahafantarina teny amin'ny Radisson Blu Ambodivona ny Fandaharanasa Nasionaly ho Fisorohana sy ho Fifehezana ny Fiparitahan’ny Mikraoba na ny "Programme National de la Prevention et de Contrôle de l'Infection - PNPCI". Mandritra ny dimy taona no hampiharana ity fandaharan’asa nasionaly ity eny anivon'ireo Tobim-pahasalamana miankina amin'ny fanjakana eto Madagasikara hahafahan'ireo mpiantsehatra ara-pahasalamana manatsara ny kalitaon'ny tolotra, miasa anaty tontolo madio sy voakajy, lavitry ny mikraoba sy ny aretina ary hiarovana ny tsy fiparitahan'ny mikraoba.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo mpizaika nanatrika ny fihaonana
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nalaza tato ho ato ny firongatry ny alika romotra na ny kaitr’izy ireny sy ny fepetra

Card image cap